• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Ireo famantarana fa vonona handeha ny zaza

05/08/2026 16:24 © Moov.Mg

Dingana lehibe eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny fianarana mandeha voalohany. Misy ny zaza manomboka mandeha amin’ny faha-9 na faha-10 volana, fa misy kosa miandry hatramin’ny 15 na 18 volana. Samy manana ny hafainganam-pivoarany ny ankizy tsirairay. Alohan’ny hahafahany mandeha irery dia mila manamafy tsikelikely ny hozany, ny fifandanjany ary ny fandrindrana ny fihetsiny izy. Inona avy ireo famantarana mampiseho fa efa akaiky hamindra sy handeha ny zaza ?

Mahay mihodina mora amin’ny lafiny rehetra izy

Alohan’ny hianarany mandeha dia mila mahafehy ny vatany aloha ny zaza. Raha mahay mihodina avy amin’ny lamosina ho amin’ny kibo izy, mahay mipetraka irery na manova toerana (position) tsy misy olana, dia midika izany fa mihamatanjaka ny hozany.

Mandady na mikisaka amin’ny tongotra efatra izy

Tsy ny zaza rehetra no mandalo amin’ny dingana mandady na dia maro aza no manao izany. Manampy amin’ny fanamafisana ny hozatry ny sandry, tongotra, lamosina ary soroka izay ilaina amin’ny fandehanana izany. Ny zaza sasany kosa tia mikisaka amin’ny amin’ny vodiny na mandady amin’ny kibony. Zavatra ara-dalàna ihany koa izany.

Mitsangana amin’ny alalan’ny fihazonana fanaka izy

Iray amin’ireo famantarana mazava indrindra ny fahafahan’ny zaza mitsangana amin’ny fihazonana ny seza, ny latabatra, ny fandriana na fanaka hafa. Midika izany fa mihamatanjaka ny tongony ary manomboka mianatra mitazona fifandanjana (équilibre) izy.

Mahavita mijoro segondra vitsy tsy misy fanohanana izy

Amin’ny voalohany dia mety hiala amin’ny fihazonana vetivety izy dia hamerina hihazona indray. Rehefa mandeha ny fotoana dia afaka mijoro irery mandritra ny segondra vitsy izy. Matetika io no dingana manakaiky ny famindrana voalohany.

Mandeha mihazona fanaka izy

Antsoina hoe “fandehanana miaraka amin’ny fanohanana” izany. Mifindra avy amin’ny fanaka iray mankany amin’ny iray hafa ny zaza sady mitazona azy ireo. Manampy azy hianatra mamindra ny lanjan’ny vatany avy amin’ny tongotra iray mankany amin’ny iray hafa izany.

Miezaka manosika zavatra izy

Mety ho hitanao fa manosika seza, boaty mafy na kilalao misy kodiarana ny zanakao. Manampy azy hianatra handroso sy hitazona fifandanjana izany.

Tiany ny mitsambikina rehefa tazonina

Rehefa tazonina mitsangana izy dia mety tia manenjana sy mamoritra tongotra na mitsambikina kely. Mampiseho izany fa mihamatanjaka ny hozany ary afaka mitondra ny lanjan’ny vatany izy.

Miezaka manao dingana vitsivitsy miaraka amin’ny fanampiana izy

Rehefa tazonina amin’ny tanana izy dia mety hanandrana hanao dingana iray na maromaro. Tsikelikely dia hihena ny filany fanampiana ary hitombo ny fahatokisan-tenany.

Liana kokoa amin’ny tontolo manodidina azy izy

Ny faniriana hahita sy hahalala zavatra vaovao dia manosika ny zaza hiezaka handeha. Mety hitady kilalao izy, hanaraka ny ray aman-dreniny na hizaha toerana vaovao ao an-trano. Io fahalianana io matetika no manosika azy hiezaka hamindra.

Mianjery izy nefa mbola manandrana indray

Anisan’ny fianarana ny fianjerana. Ny zaza efa vonona hianatra mandeha matetika dia tsy kivy rehefa mianjera. Miezaka mitsangana indray izy ary manatsara tsikelikely ny fifandanjany.

Firy volana no manomboka mandeha ny zaza?

Amin’ny ankapobeny, dia manomboka mandeha ny zaza eo anelanelan’ny 9 sy 18 volana, ary maro amin’izy ireo no manao izany manodidina ny 12 volana. Tsy tokony hampitahaina amin’ny ankizy hafa ny fivoaran’ny zaza satria samy manana ny fotoana ianarany izy ireo.

Rahoviana no mila manatona mpitsabo?

Tsara ny manatona dokotera na mpitsabo zaza raha:
-tsy mbola mahay mipetraka irery ny zaza rehefa feno 9 volana;
-tsy mitady hikisaka na handady izy rehefa feno 12 volana;
-tsy mbola mitsangana mihazona zavatra izy rehefa mihoatra ny 15 volana;
-tsy mbola mandeha mihitsy izy rehefa feno 18 volana;
-very tampoka ny fahaiza-manao efa azony na toa malemy kokoa ny ilany iray amin’ny vatany.
Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia tsy mampanahy loatra ny fahataran’ny fandehanana, saingy tsara ny manatona mpitsabo mba hahazoana antoka fa mandeha tsara ny fivoaran’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires