• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Reny&Zaza

Kambana nefa samihafa ray: tranga tsy fahita firy nefa tena misy !

22/07/2026 14:04 © Moov.Mg

Tsy mampino nefa dia tranga teny misy tokoa ny hoe zaza kambana tsy iray ray. Izany hoe vehivavy mitondra vohoka kambana nefa lehilahy roa samy hafa ny rain’ireo zaza roa. Toe-javatra tsy fahita na « rare » moa izy io ary « superfécondation hétéroparentale » no iantsona azy amin’ny sehatry ny fitsaboana. ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasika izany.

Ahoana no fizotry ny fitondrana vohoka amin’ny ankapobeny ?

Mandritra ny tsingerin'ny fadimbolana iray dia mamoaka atody (ovule) iray ny « ovaire ». Raha sendra misy tsirinaina tafatambatra aminy (fécondation) dia manomboka ny fitondrana vohoka.
Amin’ny tranga sasany nefa dia mety mamoaka atody roa na mihoatra ny vehivavy mandritra ny « ovulation » iray. Raha samy tafatambatra amina tsirinaina ireo atody ireo dia miteraka kambana tsy mitovy na « faux jumeaux ».

Ahoana no mahatonga ny vehivavy ho bevohoka kambana amin’ny lehilahy roa samy hafa ?

Mety hitranga izany raha toa ka tafaraka ireto fepetra telo ireto:
-Mamoaka atody roa ny vehivavy mandritra ny « ovulation » iray.
-Manao firaisana ara-nofo amin'ny lehilahy roa samy hafa ao anatin'ny andro vitsivitsy izy.
-Samy tafatambatra tamin’ny tsirinain'ny lehilahy iray avy ireo atody roa ireo.
Ny tsirinaina tokoa mantsy dia afaka miaina hatramin’ny dimy andro ao anatin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy. Raha mitranga manakaiky ny « ovulation » ireo firaisana ara-nofo, dia mety hitambatra amin’ny tsirinain'ny lehilahy roa samy hafa ireo atody roa. Vokatr'izany dia kambana no ateraka, saingy samy manana ny ray niteraka azy ny zaza tsirairay.
Marihana fa tsy tokony afangaro amin’ny « superfétation » ny « superfécondation hétéroparentale ». Ny « superfétation » dia ny fisian’ny vohoka fanindroana sahady nefa mbola bevohoka ny vehivavy.

Tranga tsy fahita firy

Tranga tsy fahita firy na hoe « rare » ny vehivavy bevohoka kambana amin’ny lehilahy roa samy hafa. Sarotra ny mamantatra ny tena isan'ny tranga misy satria ny fanaovana « test ADN » irery ihany no hahafana mamantatra io tranga io. Araka ny fanadihadiana sasany natao tany ivelany moa dia voalaza fa ampahany kely dia kely amin'ireo kambana nanaovana fitiliana ADN ihany no ahitana ireo samy hafa ray.

Misy fahasamihafana ve ireo kambana?

Eny. Tahaka ny kambana tsy mitovy na « faux jumeaux » rehetra, dia mifampizara antsasany avy ny fototarazon’izy ireo (ADN), saingy tsy mitovy ray. Noho izany dia mety tsy hitovy ny:
-lokon'ny maso;
-lokon'ny hoditra;
-karazan’ny volo;
-bika aman'endrika;
-sokajin-drà amin'ny toe-javatra sasany.

Mampidi-doza kokoa ve io trangana fitondrana vohoka kambana samihafa ray io?

Amin'ny ankapobeny dia mitovy amin'ny loza mety hitranga amin'ny fitondrana vohoka kambana rehetra ihany ny mety ho olana, toy ny:
-fiterahana aloha loatra;
-zaza teraka kely lanja;
-fiakaran'ny tosidra mandritra ny fitondrana vohoka;
-diabeta mandritra ny fitondrana vohoka;
-fanaraha-maso ara-pitsaboana bebe kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires