• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Ireo antony mahatonga ny vavony mavaivay mandritra ny fitondrana vohoka

20/07/2026 15:02 © Moov.Mg

Isan’ireo olana fahita mandritra ny fitondrana vohoka ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony. Matetika izy io dia miseho amin’ny fahatsapana mavaivay miainga avy ao amin’ny vavony miakatra mankany amin’ny tratra, ary indraindray tonga hatrany amin’ny tenda. Na dia tsy mampidi-doza ho an'ny reny sy ny zaza aza izy io amin'ny ankamaroan'ny tranga, dia mety hanorisory sy hampijaly ny bevohoka, indrindra manomboka amin'ny telo volana faharoan’ny fitondrana vohoka.

Mahatonga ny vavony mavaivay eo amin’ny bevohoka : fiovan’ny horminina

Vao manomboka mitondra vohoka ny vehivavy dia mitombo be ny famokaran'ny vatana ny hormonina « progestérone ». Tena ilaina moa ity farany mba hampizotra tsara ny fitondrana vohoka. Izy io ihany koa nefa dia mampalemy ny hozatra ao amin’ny vatana, ka anisan’izany ilay hozatra manasaraka ny lalan-kanina sy ny vavony.
Rehefa malemy io hozatra io dia mora miakatra any amin'ny lalan-kanina ny asidra ao amin'ny vavony ka miteraka mavaivay ao amin’ny tratra sy fiverenan'ny asidra.

Tsindrin'ny tranonjaza amin'ny vavony

Arakaraka ny itomboan'ny zaza ao an-kibo no itomboan'ny tranonjaza, ka mihamafy ny tsindry ataony amin'ny vavony. Io tsindry io dia manamora ny fiakaran'ny asidra sy ny sakafo avy ao amin'ny vavony mankany amin'ny lalan-kanina.
Noho io antony io no mampitombo ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony mandritra ny telo volana farany amin’ny fitondrana vohoka.

Miadana ny fandevonan-kanina

Mampiadana ny fandevonan-kanina ihany koa ny hormonina « progestérone ». Vokatr'izany dia mijanona ela kokoa ao anaty vavony ny sakafo, ka mampitombo ny mety hisian'ny fiverenan'ny asidra.
Ankoatra izany dia mety hiteraka fitohanana (constipations) sy « ballonnements » ihany koa ny fandevonan-kanina miadana.

Avy amin’ny sakafo mampitombo ny mavaivay ao amin’ny vavony

Mandritra ny fitondrana vohoka dia misy sakafo sasany mety hampipoitra na hampitombo ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony, toy ny:
-sakafo matavy sy nendasina;
-sakafo masiaka;
-voasary sy ranom-boasary;
-voatabia sy saosy voatabia;
-sôkôla;
-kafe, dite mahery ary zava-pisotro misy kafeina;
-zava-pisotro misy entona.
Samy manana ny toe-batany moa ny vehivavy tsirairay ka tsara ny mamantatra ireo sakafo izay mety mahatonga ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony mba hahafahana mampihena na misoroka izany.

Manao voky be loatra

Rehefa feno loatra ny vavony dia mitombo ny tsindry ao anatiny, ka mora kokoa ny fiakaran'ny asidra.
Tsara kokoa ny mihinana kely nefa matetika mandritra ny andro toy izay mihinana be indray mandeha.

Mandry avy hatrany rehefa avy misakafo

Ny fandriana na fatoriana avy hatrany rehefa avy nisakafo dia manamora ny fiakaran'ny asidra avy ao amin'ny vavony mankany amin'ny lalan-kanina, indrindra rehefa efa lehibe ny tranonjaza.
Tsara raha miandry adiny roa na telo rehefa avy nisakafo vao mandry. Afaka manampy ihany koa ny fanandratana kely ny loha rehefa matory.

Fitafiana tery loatra

Ny fitafiana manery mafy ny kibo dia mety hampitombo ny tsindry amin'ny vavony ka handrisika ny fiakaran'ny asidra.
Tsara kokoa ny misafidy fitafiana malalaka sy mampahazo aina mandritra ny fitondrana vohoka.

Ahoana ny atao hampitoniana ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony ?

Ireto misy torohevitra tsotra afaka manampy:
-Mihinana miadana ary tsakoina tsara ny sakafo ;
-Mihinana kely nefa matetika ;
-Fadiana ireo sakafo mahatonga ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony ;
-Tsy tonga dia mandry na matory rehefa avy nisakafo ;
-Misotro rano ampy mandritra ny andro, ary tsy misotro be loatra eo am-pisakafoana.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Na dia toe-javatra fahita mandritra ny fitondrana vohoka aza ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony dia ilaina ny manatona mpitsabo raha :
-tena mafy ny fanaintainana;
-tsy mihena na dia efa nanaraka ireo torohevitra aza;
-mandoa matetika;
-sahirana mitelina;
-misy fivalanana mainty.

Lire la suite

Articles Similaires