Antsiranana : Nohavaozina ny tsenan’i Bazarikely ho an’ny mpivarotra miisa 2 107
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, anio 20 Aogositra 2026 ny tsena Bazarikely, ao Antsiranana. Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa PADEVE (Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Équilibre), io asa fanavaozana azy io. Mpivarotra miisa 2 107 no hisitraka izany. Nanatrika ny fotoana rehetra tamin’izany ny tompon’andraikitra nasionaly, isam-paritra ary ireo teo an-toerana, niaraka tamin’ireo solontenan’ny AFD sy ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara.
Mpivarotra miisa 2 107 no hisitraka ny tsena nohavaozina
Nohavaozina tanteraka ny tsena Bazarikely tao anatin’ny PADEVE. Asa izay niarahan’ny Governemanta malagay, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, nanatanteraka tamin’ny Governemanta frantsay, amin’ny alalan’ny Agence Française de Développement (AFD). Ho an’i Antsiranana dia nohatsaraina ny toerana fivarotana ary nampiana fotodrafitrasa maro. Anisan’izany ny famatsiana rano fisotro madio, ny fahadiovana, ny fanadiovana ary ny fiarovana. Mpivarotra manodidina ny 2 107 no tokony hisitraka ireo fanatsarana ireo, raha ny fanambaran’ny Minisitera.
Nandritra ny lahateniny, niantso ireo tompon’andraikitry ny kaominina, ny mpivarotra ary ireo mpampiasa ny tsena ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson René de Rolland, mba hitandro ny fotodrafitrasa, mba hampaharitra izany ho an’ny taranaka.
Etsy ankilany moa dia nisy ihany koa ny fanolorana titra tany miisa 200 ho an’ireo mponina ao Antsiranana, nandritra io fotoana io ihany. « Ho an’ny mpisitraka, tsy taratasy fotsiny ny titra, fa miantoka indrindra ny fiarovana ny fiainan’izy ireo », hoy ny minisitra.
Manomboka amin’ny fomba ofisialy ny PADEVE 2
Nanamarika ny lanonana ihany koa ny firosoana amin’ny dingana vaovao amin’ny PADEVE. Ny PADEVE 2 dia mikendry ny hanohy ireo ezaka ho fampandrosoana an-tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ho an’Antsiranana dia naseho tamin’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana ny Drafi-panajariana ny Tanàn-dehibe (PUDI). Ity drafitra ity dia natao ho fototra amin’ny fandrindrana sy ny fampandrosoana ny tanàna.
Nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia ny « Fifanarahana Fandaharanasa » teo amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ary ny Kaominina Ambonivohitr’Antsiranana ny lanonana. Mametraka amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa sy ny fanoloran-tenan’ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana laharam-pahamehana ho an’ny tanànan’Antsiranana izany. Izany rehetra dia tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fitondrana dia ny hampitovy lenta ny tanan-dehibe, manerana ny Nosy.




