Fahasalamana : inona ny loza ateraky ny fisotroana rano be loatra ?
Fahasalamana : mampidi-doza ve ny fisotroana rano be loatra ?
Rahoviana no lasa olana ny fisotroana rano be loatra?
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana ny habetsahan’ny rano ao amin’ny vatana ny voa. Izy ireo no manala ny rano tafahoatra amin’ny alalan’ny famokarana pipy. Voafetra ihany anefa ny fahafahan’ny voa manala rano.
Raha misotro rano be dia be ao anatin’ny fotoana fohy ny olona iray, dia mety tsy hahavita hanala izany rano tafahoatra izany haingana ny vatana. Vokatr’izany dia lasa mitapoka loatra ny rà ka mihena ny tahan’ny « sodium » ao anatiny. Izany toe-javatra izany no antsoina hoe « hyponatrémie », izay mety ho vokatry ny fisotroana rano tafahoatra.
Noho izany, tsy ny fisotroana rano betsaka mandritra ny tontolo andro ihany no tokony hampanahy, fa indrindra ny fisotroana rano be loatra ao anatin’ny fotoana fohy.
Nahoana no mampidi-doza ny fihenan’ny « sodium »?
Ny « sodium » dia mineraly tena ilaina amin’ny fiasan’ny sela, ny « nerfs » ary ny hozatra. Rehefa midina be loatra ny tahan’ny « sodium » ao amin’ny rà, dia mety hiditra ao anaty sela ny rano ka hampivonto azy ireo. Tena mampanahy tokoa moa izany rehefa mahakasika ny sela ao amin’ny atidoha, satria ny atidoha dia ao anatin’ny karandoha ary voafetra ny toerana ahafahany mivelatra.
Amin’ny voalohany dia mety somary tsotra ihany ny soritr’aretina miseho, toy ny hoe maloiloy, marary andoha, mandoa, mahatsapa miziriziry na misavorovoro ny saina. Amin’ny tranga mafy kosa dia mety hiteraka fikorontanan’ny fiasan’ny atidoha, fanintona, tsy fahatsiarovan-tena ary mety hahafaty mihitsy.
Inona avy ireo soritr’aretina tokony hampiahiahy?
Rehefa avy nisotro rano be dia be tao anatin’ny fotoana fohy, dia tokony hotandremana ireto soritr’aretina manaraka ireto:
-maloiloy na mandoa;
-aretin’andoha mafy;
-fisavorivoriana na fiovan’ny fitondran-tena;
-torimaso tafahoatra na fahalemena be;
-fahasarotana amin’ny fitazonana fifandanjana na amin’ny fandrindrana ny fihetsika;
-mifanintona;
-torana.
Raha miseho ireo soritr’aretina mafy, indrindra ny fisavorivoriana, ny fanintona na ny tsy fahatsiarovan-tena rehefa avy nisotro rano be loatra dia tokony horaisina ho vonjy taitra ara-pahasalamana izany.
Iza avy no tena mety ho tratran’izany?
Miankina amin’ny lafin-javatra maro ny loza mety hitranga: ny habetsahan’ny rano nosotroina, ny hafainganam-pisotroana azy, ny toe-pahasalaman’ilay olona ary ny hamafin’ny asa ara-batana ataony.
Mety ho voakasik’izany ihany koa ny olona manao fanatanjahantena na asa ara-batana maharitra. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hampidina be loatra ny tahan’ny « sodium » ao amin’ny rà ny fisotroana rano be dia be tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny vatana.
Misy ihany koa ny aretina sasany sy ny fanafody sasany izay mety hanakorontana ny fahafahan’ny vatana mandrindra ny rano sy ireo mineraly ilaina ka mampitombo ny loza.




