Lalambe migodana Antananarivo – Toamasina : Mirefy 64 km no efa vita fanajariana
Mitohy ny fanamboarana lalambe migodana hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Efa tonga hatrany amin’ny PK 72, eo anelanelan’Analabe sy ny fokontany Antsahabe Est, ao Anjozorobe, ny asa amin’izao fotoana izao. Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fivoaran’ny asa ny ekipa teknika avy amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Niara-dia tamin’izy ireo ny orinasa mpanatanteraka SAMCRET sy ireo tompon’andraikitra ao Anjozorobe.
Mandroso ny asa
Araka ny tatitry ny Minisiteran’ny asa vaventy dia 32Km amin’izao fotoana izao no efa vita tara na vita « revêtement bitumineux ». Dingana lehibe amin’ny fanamboarana lalana ihany koa ny fanajariana ny tany na ny « terrassement ». Izy io no manomana ny tany sy mametraka fototra sahaza ho an’ny fivezivezen’ny fiara. Amin’ireo 80 kilometatra amin’ny ampahany voalohany, 64 kilometatra no efa vita io asa io.
Izany rehetra izany dia maneho fa mandroso ny tetikasa. Mbola mitohy hatrany ihany koa ny asa hampifandraisana tsikelikely ireo faritra lalovan’ny lalana.
Nohainoina ihany koa ny mponina
Tsy ny lafiny teknika ihany no nojerena nandritra ny fidinana ifotony. Nihaona tamin’ireo mponina, indrindra teny Antsahabe, ihany koa ny delegasiona. Nandritra izany no nanazavana ny tetikasa sy namaliana ireo fanontaniana momba ny tany sy ny tanimbary mety ho voakasika. Nilaza ireo mponina fa tsy manohitra ny fanamboarana ny lalana izy ireo, satria heveriny fa hitondra fandrosoana ho an’ny faritra izany. Nangataka fanazavana mazava kosa izy ireo, mba hahafantarana ny mety ho fiantraikan’ny asa amin’ny taniny.
Nojerena manokana ireo tanimbary handalovan’ny tetikasa. Nohazavaina tamin’ny mponina ny lafiny ara-teknika, ara-tontolo iainana ary ara-tsosialy. Araka ny nambaran’ny orinasa, mety hisy ampahany kely amin’ny tany ho voakitika, saingy tsy tokony hiteraka olana lehibe amin’ny famokarana izany.
Mahatratra 250 kilometatra moa ny halavan’ity lalambe malalaka ity. Mizara telo izy io : 80 kilometatra ny iray, ary samy 85 kilometatra ny roa ambiny. Tanjona ny hanamora ny fivezivezena sy hanamafy ny fifandraisana eo amin’Antananarivo sy ny faritra Atsinanana.




