• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampiroboroboaba ny fizahantany : tsy afa-misaraka amin’ny nomerika sy ny IA intsony i Madagasikara

26/09/2026 22:21 © Moov.Mg

Tsy ampy intsony ny fananana toerana manintona mpizahatany fotsiny, fa tsy maintsy ampahafantarina amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia izany. Nifantoka tamin’izany ny hafatra nisongadina nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany, izay notontosaina tany Mahajanga, renivohitry ny Faritra Boeny, androany 26 septambra 2026.

Nomerika sy IA ho fampiroboroboana ny fizahantany

« Ny nomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) entina hanavaozana ny fizahantany » no lohahevitra voizina amin’ity taona 2026 ity. Ho an’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, efa tafiditra ao anatin'ny paikady fampahafantarana an’i Madagasikara amin'ny any ivelany ireo teknolojia ireo. Namafisin'ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, Vololoniaina Lucie, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa efa tsy maintsy irosoana ny fampiasana ny nomerika sy ny IA. « Efa tsy safidy intsony, fa dingana tsy maintsy arahina ny firosoana amin’ny fampiasana ny nomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy », hoy izy.

Tsy midika anefa izany fa hanolo ny maha-Malagasy ny teknolojia. Notsindrian’ny minisitra fa « tsy mahasolo velively ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny ny teknôlôjia vaovao ».

Manana harena voajanahary maro i Mahajanga

Miova ihany koa ny fomba fikarohan’ny mpizahatany toerana haleha. Alohan’ny handehanana any amin’ny toerana na firenena iray dia efa maro no mampiasa sehatra nomerika hitadiavana vaovao momba ny toerana azo tsidihina, ny karazan-java-mahaliana mety ho hita ary ny tolotra misy.

Notsiahivin’ny lehiben’ny Faritra Boeny fa manana harena maro azo ianteherana amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany ny faritra. Anisan’izany "ny tontolo sy ny harena voajanahary, ny endriky ny tany, ny vakoka, ny kolontsaina sy fomba amam-panao ary ny asa tanana". Araka ny nambarany, mitaky andraikitra amin’ny fitantanana sy fampahafantarana, ireo harena ireo sy ny fananana azy. Satria efa tafiditra ao anatin’ny fiainan’ny mpizahatany ny teknolojia, dia mila manaraka izany fivoarana izany ihany koa i Madagasikara, raha te hahazo mpitsidika maro kokoa.

Tsy ambaka ny any ivelany i Madagasikara

Carnaval niainga teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga ary nihazo ny Village Touristique no nanokatra ny fankalazana, ny tolakandron’ny androany 26 septambra. Nanaraka izany ny kabary, ny fanentanana ary ny fampisehoana isan-karazany. Nanatrika ny lanonana ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ireo mpikamban’ny governemanta sasantsasany ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Boeny.

Samy nanasongadina ny lanjan’ny fizahantany amin’ny fampandrosoana ny firenena ireo mpandaha-teny. Ho an’ny praiminisitra, manana toerana lehibe ao anatin’izany ny harena ara-boajanahary ananan’i Madagasikara. « Tsara lavitra noho ny tora-pasika any ivelany, toa an’i Miami Beach, izay efa nandehanako, ireo tora-pasika eto Madagasikara, na dia ity Village Touristique ity fotsiny aza », hoy izy.

Fampiofanana sy fotodrafitrasa

Ankoatra ny nomerika, nasongadin’ny praiminisitra ihany koa ny filàna fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. Araka ny nambarany, misy ny tetikasa fanofanana natao ho an’ny olona rehetra, na ireo tsy manana diplaoma aza. « Tsy fahalalana fotsiny no omena fa fahaiza-manao indrindra indrindra », hoy izy, raha nanazava ny tanjon’ity ivon-toerana fanofanana ity, izay tetikasa tian'ny fitondrana Fanavaozana apetraka ary efa natomboka aza.

Mifandray akaiky anefa ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ireo sehatra hafa, toy ny fisian’ny jiro sy rano ary ny fandriampahalemana. Ho an’i Madagasikara, araka izany, ny fananana toerana sy harena manintona dia ampiarahana amin’ny fampisitrahana fotodrafitrasa, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fampiasana ireo fitaovana nomerika vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires