Nofy hafahafa mandritra ny fitondrana vohoka : ‘ndeha ho resahana !
Maro ny vehivavy mahatsikaritra fa lasa toa mazava kokoa, hafahafa, na indraindray mampisafotofoto mihintsy matetika ny nofy mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ny manofy fiterahana tsy mahazatra, dia lavitra hafahafa, na toe-javatra feno fihetseham-po mahery. Mety hampanontany tena hoe misy heviny miafina ve sa famantarana zavatra ho avy ireo nofy ireo. ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasik’izany.
Mihamafy kokoa matetika ny nofy mandritra ny fitondrana vohoka
Vehivavy bevohoka maro no mahatsikaritra fa mora tadidiny kokoa ny nofiny noho ny talohan'ny fitondrana vohoka. Izany dia azo hazavaina amin'ny fiovan'ny torimaso. Matetika kokoa mantsy ny fifohazana amin'ny alina noho ny filàna mandeha any amin'ny trano fivoahana, ny tsy fahazoana aina, na ny fihetsiky ny zaza ao an-kibo.
Satria moa mandritra ny dingan'ny torimaso antsoina hoe "sommeil paradoxal" no tena miseho ny nofy, dia mampitombo ny fahafahana mahatsiaro azy ireo ny fifohazana matetika. Mety hisy anjara toerana amin'ny hamafin'ny fihetseham-po tsapa ao anatin'ny nofy ihany koa ny fiovan'ny hormonina.
Nofy mandritra ny fitondrana vohoka : taratry ny eritreritra sy ny fihetseham-po
Araka ny hevitry ny manam-pahaizana momba ny torimaso dia mandray anjara amin'ny fandrindrana sy fanodinana ireo fihetseham-po sy zavatra niainana nandritra ny andro ny nofy. Mandritra ny fitondrana vohoka moa dia maro ny zavatra manitikitika ny sain'ny bevohoka, toy ny fahasalaman'ny zaza; ny fiterahana; ny andraikitra maha ray aman-dreny; ny fiovana hitranga eo amin'ny fiainam-pianakaviana sy ny asa… Tsy mahagaga noho izany raha lasa miseho anaty nofy ireo ahiahy sy eritreritra ireo.
Nofy mifandray amin'ilay zaza
Misy bevohoka sasany no manofy matetika ny zanany mbola tsy teraka. Ao anatin’izany nofy izany izy dia mety haminavina ny endrik’ilay zaza, hieritreritra hoe vavy sa lahy ity farany, na hihevitra fa efa mitrotro azy sahady. Tsy ahafahana maminavina ny hoavin'ilay zaza na mahafantatra mialoha ny endriny anefy ireo nofy ireo. Matetika dia maneho ny fatoram-pitiavana miha-matanjaka eo amin'ny reny sy ny zanany ary ny toerana lehibe raisin'ilay zaza ao an-tsainy fotsiny ihany izany.
Ara-dalàna ve ny nofy ratsy ?
Zavatra mahazatra ary ara-dalàna ny nofy ratrsy mandritra ny fitondrana vohoka. Mety izy ireny mikasika ireto tahotra manaraka ireto :
-Tahotra fiterahana sarotra;
-Ahiahy momba ny fahasalaman'ny zaza;
-Tahotra sao tsy ho reny mahavita ny andraikiny;
-Fisian'ny fiovana lehibe eo amin'ny fiainana.
Na dia mety hahakivy na hampatahotra aza izy ireny, dia tsy midika velively fa hisy loza hitranga. Matetika ireny nofy ratsy ireny dia taratry ny tebiteby ara-dalàna ateraky ny fitondrana vohoka.
Maninona no misy toy ny tena marina (réalistes) ny nofy sasany ?
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mety ho mafy kokoa ny fihetseham-po tsapan’ny vehivavy. Izany no mahatonga ny nofy sasany ho tena mazava sy ahitana antsipiriany maro, ka indraindray tsapa toy ny tena nisy tokoa ilay zavatra nonofisina.
Na izany aza, ny fikarohana momba ny torimaso dia manondro fa vokatry ny fihetsiky ny atidoha izay mampifandray fahatsiarovana, fihetseham-po ary eritreritra noforonina ny nofy. Tsy faminaniana momba ny ho avy izy ireo.
Rahoviana no tsara manatona mpitsabo ?
Amin'ny ankapobeny dia tsy mampanahy ny nofy hafahafa na ny nofy ratsy mandritra ny fitondrana vohoka. Na izany aza, raha lasa matetika loatra izy ireny, miteraka tebiteby be, na manelingelina mafy ny torimaso, dia tsara ny miresaka amin'ny mpiasan'ny fahasalamana. Indraindray mantsy dia mety hisy ifandraisany amin'ny adin-tsaina be loatra, ny fanahiana maharitra, na olana hafa momba ny torimaso izany.




