• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo akora natoraly tsy tsara ampiasaina raha marefo ny volo

29/09/2026 16:46 © Moov.Mg

Maro ny olona mieritreritra fa azo antoka hatrany ny vokatra natoraly hikarakarana ny volo. Tsy hoe rehefa natoraly dia midika izany fa tsy misy vokadratsy amin’ny volo. Ho an’ny volo efa marefo, vakivaky, makiana, simban’ny lokom-bolo na fikarakarana simika dia mety vao maika hampitombo ny fahasimbana ny fampiasana akora natoraly sasany. ‘Ndeha àry ho fantarina eto ireo akora natoraly tsy tsara ampiasaina amin’ny volo marefo.

Ranom-boasarimakirana tsy mitapoka

Maro ny mampiasa voasarimakirana mba hampangirana ny volo na hanamaivana ny lokony. Ny voasarimakirana nefa dia asidra be ka mety hanamaina sy hamparefo kokoa ny volo efa simba. Raha ampiasaina matetika hikarakarana ny volo izy io dia mety hahatonga ity farany ho makiana sy ho mora tapaka kokoa. Tsy tokony hampiasa azy io ny olona manana volo maina, olioly na efa nandalo fikarakarana simika.

Karibonetra

Maro ny manoro ny fampiasana ny karibonetra ho fanadiovana amin’ny fomba natoraly ny volo. Marihana nefa fa ambony kokoa noho ny pH voajanaharin’ny hodi-doha sy ny volo ny pH ny karibonetra. Ny fampiasana matetika azy io hanadiovana ny volo dia mety hampisokatra ny sosona miaro ny volo, hampitombo ny fahamainana ary hahatonga azy ho mora vakivaky sy tapatapaka.

« Huiles essentielles » tsy mitapoka

Indraindray ampiasaina amin’ny fikarakarana ny volo ny « huiles essentielles », toy ny « menthe poivrée », « romarin », « tea tree » na « lavande ». Rehefa apetaka mivantana tsy misy fangarony eo amin’ny volo nefa izy ireny dia mety hiteraka « irritation » amin’ny hodi-doha na « allergie ». Ankoatra izay dia mety hanimba ny volo efa marefo. Raha tsy maintsy hampiasa azy ireny dia tsara foana ny manafangaro azy amin’ny menaka fototra hafa alohan’ny hanosorana azy amin’ny volo.

Ary ahoana ny menaka voanio na diloilo coco ?

Ny menaka voanio dia isan’ireo akora natoraly be mpampiasa amin’ny fikarakarana volo. Misy fikarohana siantifika milaza fa afaka mampihena ny fahaverezan’ny proteinina ao amin’ny volo izy ary manampy amin’ny fiarovana ny firafitry ny volo.
Na izany aza, ny olona sasany dia mahatsapa fa lasa mavesatra na enjana kokoa ny volony rehefa mampiasa azy be loatra. Miankina amin’ny karazana volo tsirairay ny vokany ka tsy azo lazaina ho akora tokony hialana tanteraka izy io.

Lire la suite

Articles Similaires