Vehivavy bevohoka : Tsy tokony mihinana mananasy be loatra !
Zava-dehibe tokoa ny famantarana ireo sakafo mahasoa sy mety hanahirana mandritra ny fitondrana vohoka. "Ndeha resahina ny mikasika ny mananasy.
Amin'ny ankapobeny, mahasoa avokoa ny voankazo rehetra mandritra ny fitondrana vohoka. Amporisihina mihitsy aza ny fihinanana voankazo karazany 5 isan'andro, mba hahatsara ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza. Mila lanjalanjaina kosa nefa ny fatrany mba tsy hitarika voka-dratsy.
Ny mananasy, 100 hatramin'ny 150 grama isan'andro ihany
Manankarena rano sy vitamina tena mahasalama ny mananasy. Manamora ny fandevonan-kanina tokoa io voankazo io. Misy ilay singa antsoina hoe "bromélaïne" izay mety hankarary vavony sady hampikoriana loatra ny rà. Tsy vitsy ireo mpitsabo manam-pahaizana mikasika ny fahasalamana ara-pananahan'ny vehivavy no mandrara ny fihinanana mananasy mandritra ny fadim-bolana. Noho izany, tsara kokoa raha silaka mananasy kely ihany no hanina, fa tsy ilay voankazo lehibe iray manontolo. Mila fitandremana araka izany ny vehivavy bevohoka raha toa ka ratsiana mananasy.
Raha manana olana amin'ny vavony, tsara raha atao tsindrin-tsakafo ny mananasy : tsy tokony hihinana io voankazo io raha mahatsiaro noana.




