• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo antony mahatonga antsika hividy zavatra tsy tena ilaina

21/10/2026 15:36 © Moov.Mg

Zavatra mety efa nataontsika rehetra ny hoe nividy zavatra iray nefa zara raha nampiasaina na tsy nampiasaina mihintsy taty aoriana. Akanjo nanaovana indray mandeha monja, fitaovana kely niafara tao anaty vata, na entana novidiana tampoka tsy nomanina. Matetika tsy kisendrasendra ireo fividianana ireo. Misy antony ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-tsosialy maro mitaona antsika hividy zavatra tsy tena ilaintsika, indraindray nefa tsy tsapantsika akory.

Ny fihetseham-po, isan’ny mamporisika hividividy zavatra

Mandray anjara lehibe amin'ny fanapahan-kevitra momba ny fividianana ny fihetseham-pontsika. Rehefa malahelo, mitebiteby, sorena na faly loatra isika dia mety hividy zavatra mba hahatsapana fahafinaretana vetivety na hanalefahana ireo fihetseham-po ireo.
Matetika ny fividianana zavatra vaovao dia manome fahatsapana fahafaham-po avy hatrany. Noho izany dia mety haniry hamerina izany traikefa izany isika, na dia tsy tena ilaina aza ilay zavatra novidiana.

Ny fihenam-bidy dia mampisy fahatsapana fahamaikana hividy

Ny fihenam-bidy sy ny tolotra manokana ataon’ny mpivarotra di mampirisika ny olona hividy haingana. Rehefa misy entana mihena be ny vidiny dia maro no matahotra sao tsy hahazo izany intsony raha miandry.
Vokatr'izany dia maro ny olona mividy zavatra sasany, tsy noho izy tena ilaina, fa noho izy mora kokoa noho ny mahazatra. Ny fividianana nefa dia mamoaka vola foana ihany na dia amin’ny vidiny ambany kokoa aza.

Ny dokam-barotra : mitarika faniriana

Saika iharan'ny dokambarotra isan'andro isika, na amin'ny fahitalavitra, na amin'ny aterineto, na amin'ny tambajotra sosialy. Tsy ny hampahafantatra vokatra fotsiny no tanjon'ny dokambarotra.
Matetika izy ireo dia mampifandray ilay vokatra na entana amin'ny fahombiazana, hatsarana, fahasambarana na laza eo amin'ny fiaraha-monina. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety lasa hihevitra isika hoe mila ilay vokatra na entana io mba hahazoana ireo zavatra tsara hasehon’ny dokam-barotra.

Tambajotra sosialy: Mampirisika ny fividianana tampoka

Anisan'ny antony mampitombo ny fividianana tsy voahevitra ny tambajotra sosialy. Matetika isika mahita olo-malaza, mpamorona votoaty na « influencer » mampiseho vokatra sy manoro azy ireny.
Rehefa miverimberina eo ambany masontsika ny zavatra iray dia mety hiteraka faniriana hanana izany, na dia tsy ilaina aza. Vao mainka izany matanjaka rehefa toa manana ilay vokatra daholo ny olona manodidina.

Ny faniriana ho anisan'ny vondrona

Voataonan'ny olona manodidina azy ny olombelona. Matetika isika maka tahaka ny fomba fiaina, ny safidy ary ny fahazarana hitantsika eo amin'ny namana, mpiara-miasa na vondrom-piarahamonina iray.
Noho izany, rehefa lasa malaza ny vokatra iray dia mety hahatsapa ho voatery hividy azy ihany koa ny olona sasany mba tsy hahatsapa ho voahilika.

Ny fitiavana zava-baovao

Tian'ny atidoha ny zava-baovao. Mahafinaritra ny mahita teknolojia vaovao, manandrana vokatra vao nivoaka na mividy zavatra tsy mbola nampiasaina taloha.
Kanefa matetika tsy maharitra io fahalianana io. Rehefa lasa mahazatra ilay zavatra dia mihena ny fahafinaretana azo avy aminy, ka mety tsy ampiasaina intsony aty aoriana.

Fanombanana diso ny filana amin'ny ho avy

Maro ny fividianana tsy ilaina mifototra amin'ny eritreritra hoe hampiasa ilay zavatra matetika amin'ny ho avy. Mety hividy fitaovana fanaovana fanatanjahantena satria mieritreritra hanao fanatanjahantena isan'andro, na hividy boky maro satria mihevitra fa hanana fotoana hamakiana azy rehetra. Matetika anefa mijanona ho fikasana ihany izy ireny ary lasa mipetra-potsiny ilay fitaovana nandaniana vola.

Ahoana no hisorohana ny fividianana zavatra tsy ilaina?

Ireto misy fahazarana vitsivitsy afaka manampy:
-Miandrasa 24 hatramin'ny 48 ora alohan'ny hividianana zavatra tsy maika.
-Manaova lisitry ny zavatra tena ilaina alohan'ny hiantsenana.
-Ampitahao ny vidiny sy ny tolotra samihafa.
-Mametraha tetibola ho an'ny fandaniana tsy tena ilaina.
-Anontanio ny tenanao raha mbola hampiasa ilay zavatra ianao afaka volana vitsivitsy.
-Fadio ny miantsena rehefa malahelo, sosotra na mitebiteby.

Lire la suite

Articles Similaires