Ireo fialamboly manampy hampivelarana ny faharetana sy ny fifehezan-tena
Amin’izao fiainana maoderina feno rotoroto izao dia isan’ireo toetra tena sarobidy ny faharetana sy ny fifehezan-tena. Izy ireo no manampy antsiky hahomby amin’ny asa, amin’ny fianarana sy ny fiainana andavanandro. Tsy tonga ho azy ao amin’ny olona ireo toetra ireo fa azo volena sy hatsaraina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahazarana. Maro ireo fialamboly afaka manampy amin’ny fananganana sy fampivelarana ireo toetra ireo, ka ireto manaraka ireto ny sasany amin’izany.
Fianarana zavamaneno
Mitaky fotoana sy fikirizana ny fianarana mitendry zavamaneno. Matetika dia tsy hita eo no eo ny fandrosoana fa mila fanazaran-tena miverimberina. Mba hahafahana mifehy hira iray sarotra dia ilaina ny manaiky ny fahadisoana, manitsy ary mamerina imbetsaka. Izany rehetra izany no mampivelatra ny faharetana sy ny fifehezan-tena.
Fikarakarana zaridaina
Anisan’ny fialamboly mampianatra ny olona hahay miandry ny zaridaina. Tsy afaka mitombo ho lasa zavamaniry lehibe ao anatin’ny andro vitsy ny voa iray. Mila mianatra manaja ny fotoam-pambolena sy ny fandehan’ny natiora ny mpikarakara zaridaina. Izay no ahafany mahatakatra fa ny vokatra dia tsy hita eo noho eo fa mila miandry herinandro na volana maro.
Lalao « échecs »
Mitaky fisainana lalina sy fandinihana ny lalao « échecs ». Ny fanapahan-kevitra raisina maika dia mety hiteraka olana any aoriana. Ny fizarana manao « échecs » dia mampianatra handinika tsara ny toe-javatra, hanomana mialoha (anticiper) ary hifehy ny fitiavana hanao zavatra tampoka na taitaitra (impulsivité). Toetra tena ilaina amin’ny andavanandrom-piainana ireo azo ireo.
Haiady
Ny haiady toy ny « judo », « karaté », « taekwondo », « aïkido » na « kung-fu » dia mifototra amin’ny fanajana fitsipika sy fanazarana miverimberina. Mety haharitra volana maro vao tena voafehy tsara ny teknika sasany. Mampianatra faharetana, fifehezan-tena ary fikirizana amin’ny fanatrarana tanjona ny haiady.
Sary hosodoko sy fanaovana sary
Mety haharitra ora maro ny famitana sary iray. Indraindray aza ilaina ny manitsy na mamerina manomboka ampahany iray indray. Io dingana io dia mampivelatra ny fifantohana, ny faharetana ary ny fahaizana mamita asa na dia misy aza ny sakana.
Nahoana no lazaina fa mahasoa ireo fialamboly ireo ?
Teboka iray no itovizan’ireo fialamboly rehetra ireo : tsy mitondra valisoa avy hatrany. Samy mitaky fotoana sy ezaka miverimberina izy ireo vao ahitana vokatra. Ny fizarana manao ireo fialamboly ireo dia afaka manampy :
-Hifehy tsara kokoa ny fahasorenana sy ny fahadisoam-panantenana.
-Hifantoka amin’ny tanjona maharitra.
-Hanana fahazarana tsara sy voalamina.
-Hahay hiatrika zava-tsarotra ary tsy mora kivy.
-Hampitombo ny fahatokisan-tena rehefa hita ny fandrosoana.





