• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fahazarana mety hanimba mialoha ny moteran’ny fiara

05/10/2026 14:57 © Moov.Mg

Ny motera dia iray amin'ireo singa lafo vidy indrindra ao amin'ny fiara. Rehefa voakarakara tsara izy io dia afaka miasa an-jaton’arivo kilometatra maro tsy misy olana. Misy nefa ireo fahazarana sasany amin’ny fampiasana sy fikojakojana ny fiara izay mety hanafaingana ny fahasimban’ny motera ka miteraka fanamboarana lafo vidy. Ireto àry ireo fahazarana mahazatra tokony hialana mba tsy hahasimba mialoha ny moteran’ny fiara.

Tsy manao « vidange » na manolo menaka motera ara-potoana

Manana anjara asa lehibe ny menaka motera. Izy no mampihosotra ireo ampahany mekanika, mampihena ny fifampikasohan'ny metaly, manampy amin'ny fampangatsiahana ary mitazona ny fahadiovan'ny motera. Rehefa tara loatra ny fanaovana « vidange » na fanoloana menaka, na koa rehefa latsaka ny haavony, dia mora simba kokoa ireo singa ao anaty motera. Tsy mahavita miaro tsara intsony ihany koa ny menaka efa ela loatra tsy nisolo ka mety hiteraka fivangongoan'ny loto sy potipoti-javatra manimba. Zava-dehibe arak’izany ny fanarahana ny fandaharam-pikojakojana omen'ny mpanamboatra mikasika ny « vidange ».

Manao « accéleration » mafy rehefa mbola mangatsiaka ny motera

Rehefa vao avy novelomina ny fiara dia mila fotoana kely ny menaka vao miparitaka manerana ny singa rehetra anaty motera ary mahatratra ny maripana mety indrindra. Raha hitsahana mafy avy hatrany ny « accélérateur » nefa mbola tsy mafana ny motera dia lasa mikorontana ny ampahan’ireo singa ao anatiny. Tsara kokoa arak’izany raha entina moramora aloha ny fiara mandritra ny minitra voalohany mba hahafahan’ny motera mafana tsikelikely.

Tsy miraharaha ireo jiro fampitandremana (voyants d'alerte)

Misy antony hatrany no mahatonga ireo jiro fampitandremana hiseho eo amin'ny « tableau de bord ». Mety manondro olana amin'ny tsindrin-tsolika, hafanana tafahoatra na tsy fetezan'ny motera izy ireny. Mety hitarika fahasimbana goavana amin’ny motera ny fanohizana mitondra ny fiara raha efa misy jiro fampitandremana lehibe miseho. Tsara raha manatona mpanamboatra fiara haingana rehefa miseho ireo famantarana ireo.

Mamela ny motera hafana be loatra

Anisan'ny fahavalo lehibe indrindra amin'ny motera ny hafanana tafahoatra. Mety hahatonga ny ampahany sasany amin’ireo singa ao aminy hivilana endrika izany, hanimba ny « joint de culasse » na hiteraka fahasimbana lehibe hafa. Mety ho vokatry ny tsy fahampian'ny « liquide de refroidissement », ny « fuite » na ny olana amin'ny rafitra fampangatsiahana (système de refroidissement) no mahatonga io hafanana tafahoatra io. Ilaina ny mijery hatrany ny rafitra fampangatsiahana ny motera.

Mitondra fiara amin'ny « régime » avo foana

Ny motera maoderina dia namboarina hahazaka « régime » avo indraindray. Raha tao matetika loatra nefa izany dia mampitombo ny vesatra ara-mekanika zakain’ny motera. Mety hanafaingana ny « usure » ny « piston », « soupape », « bielles » sy ny « turbo » izany raha toa ka « turbo » ilay fiara.

Manao dia fohy matetika loatra

Rehefa mandeha fiara amin’ny toerana akaiky matetika dia tsy mahatratra ny maripana fampiasana mahazatra sy ilainy ny motera. Izany dia mety hampitombo ny hamandoana ao anatiny ary handoto ny menaka. Izany no antony ilàna fikojakojana manokana an’ireo fiara ampiasaina amin'ny halavirana fohy isan'andro.

Mampiasa solika tsy mifanaraka amin'ny motera

Misy karazana ny solika atolotry ny mpanamboatra ho an'ny motera tsirairay. Ny fampiasana matetika solika tsy mifanaraka amin'izany dia mety hampihena ny kalitaon'ny fandoroana ka hiteraka tsy fetezana samihafa. Tsara foana ny manaraka ny toromarika voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiara.

Tsy manolo na tsy manadio ny « filtre à air »

Ny « filtre à air » dia miaro ny motera amin'ny vovoka sy potipoti-javatra avy any ivelany. Raha feno loto izy io dia mihena ny rivotra miditra ao amin'ny motera, ka mety hisy fiantraikany amin'ny fandoroana ny solika sy ny fahombiazan'ny motera. Ilaina indrindra ny manolo azy io ara-pitoana amin’ny fiara ampiasaina any amin’ny toerana be vovoka.

Manavesatra loatra ny fiara

Ny fitondrana vesatra tafahoatra na fisintonana entana mihoatra ny fetra voatondro dia mampitombo ny asa sy ny hafanana zakain’ny motera. Mety hanafaingana ny « usure » ara-mekanika izany ary hampitombo ny fandaniana solika.

Mangatak’andro amin’ny fanamboarana olana madinika

Matetika ny fahasimbana lehibe amin’ny motera dia manomboka amin'ny famantarana kely toy ny feo hafahafa, hovitrovitra tsy mahazatra, setroka be na fihenan-kery. Raha tsy jerena haingana ireo famantarana ireo dia mety hihombo ny olana ka hitarika fanamboarana tena lafo. Amin'ny ankamaroan'ny tranga dia mora kokoa ny manamboatra olana amin’ny singa ao amin’ny motera vao manomboka.

Lire la suite

Articles Similaires