• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikafika natoraly fanakobanana ny volo mba hampangirana azy

02/10/2026 11:18 © Moov.Mg

Maro ireo antony mahatonga ny volo ho lasa tsy mangirana intsony : loto sy setroka entin’ny rivotra, tara-masoandro, fampiasana fitaovana manafana volo matetika, fiangonan’ny vokatra fikarakarana volo... Ireto manaraka ireto àry misy fikafika natoraly fanasana ny volo afaka manampy hanatsarana ny endriny sy hampangirana azy indray.

Inona no mahatonga ny volo lasa vasoka sy tsy mangirana intsony ?

Miankina indrindra amin’ny toetry ny « cuticule », ilay sosona ivelany manarona ny tahon’ny volo, ny mampangirana ny tahon’ny volo. Rehefa milamina sy mifampitohy tsara ireo sosona ireo dia afaka mitaratra hazavanana kokoa ny volo. Raha simba, maina na rakotry ny vokatra tavela kosa izy ireo dia lasa vasoka sy tsy mamiratra intsony.
Anisan’ireo antony mety hitarika izany ny :
-Fampiasana « shampoing » tsy mifanaraka amin’ny karazana volo.
-Fitangoron’ny vokatra fikarakarana volo.
-Fandokoana volo matetika.
-Taratry ny masoandro sy rivotra be.
-Fampiasana fitaovana manafana volo matetika.
-Tsy fahampian-tsakafo sasany na olana ara-pahasalamana.
Ny fikafika natoraly fanakobanana volo dia tsy mahavita manarina na mitsabo ny volo tena simba, saingy mety hanatsara ny endriny fotsiny ihany amin’ny alalan’ny fanesorana loto sy vokatra tavela eo aminy.

Fanakobanana volo mampangirana azy : « vinaigre de cidre »

Ny « vinaigre de cidre » na vinaingitra paoma dia isan’ireo akora natoraly fanakobanana ny volo malaza indrindra. Noho ny asidra ao aminy dia afaka manampy amin’ny fanesorana ireo vokatra fikarakarana volo sy ny « calcaire » avy amin’ny rano tavela eo amin’ny volo izy io. Mety manampy hampitony sy hampilamina ny sosona ivelan’ny volo ihany koa ny « vinaigre de cidre » mba hahatonga azy hitaratra hazavana bebe kokoa.
Tsotra ny fampiasana azy. Afangaro ny vinaingitra paoma 1 na 2 sotro fihinanana sy ny rano antsasaky ny litatra. Rehefa avy nosasana tamin’ny « shampoing » ny volo dia rarahana io fangaro io. Ahosotra moramora ary avela hilona vetivety. Rehefa vita dia kobanina amin’ny rano matimaty. Tsy ampiasaina matetika loatra satria mety hahatonga « irritation » ny hodi-doha mora tohina.

Dite maitso

Ny dite maitso dia manankarena « polyphénols » izay singa manana toetra « antioxydants ». Na dia mbola vitsy aza ny porofo ara-tsiansa manamafy ny fiantraikany mivantana amin’ny famerenana fangiran’ny volo dia azo ampiasaina hanakobanana ny volo izy io noho ny fahafahany mampitony ny hodi-doha sy miaro amin’ny fahasimban’ny sela ateraky ny « stress oxydatif ».
Raha hampiasa dite maitso hanakobanana ny volo dia andrahoina anaty rano mafana aloha ny dite maitso. Avela hangatsiaka tanteraka. Izy io no ampiasaina hanakobanana farany ny volo rehefa avy nanasa loha tamin’ny « shampoing ».

Ranom-bary

Lasa malaza tato anatin’ny taona vitsivitsy ny fampiasana ranom-bary amin’ny volo. Izy io dia mitahiry « amidon », vitamina sy mineraly mitondra vokatsoa ho an’ny volo. Misy fikarohana sasany milaza fa ny singa iray antsoina hoe « inositol », hita ao amin’ny vary, dia mety hanampy amin’ny fiarovana ny firafitry ny volo. Mbola voafetra anefa ny porofo ara-tsiansa momba ny fahombiazan’ny ranom-bary vita an-trano.
Raha hampiasa azy io dia ampangotrahina na alona anaty rano ny vary. Ilay ranony io no ampiasaina hanakobanana ny volo aorian’ny « shampoing ». Averina kobanina moramora amin’ny rano matimaty rehefa vita izay. Tsy tsara ampiasaina be loatra satria mety hampavesatra na hampamaina ny volo noho ny fitangoronan’ny « amidon ».

Ireo fahazarana manampy hitazomana ny volo ho mangirana

Na dia mety manampy aza ireo fikafika fanasana volo natoro ireo dia ilaina hatrany ny manana fahazarana tsara mba hiarovana ny volo tsy ho simba sy ho vasoka :
-Mampiasa « shampoing » mifanaraka amin’ny karazana volo.
-Ahena ny fampiasana fitaovana manafana volo.
-Arovana amin’ny tara-masoandro ny volo.
-Mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana.
-Ferana ny fandokoana na fanatsorana ny volo amin’ny alalan’ny vokatra simika.

Lire la suite

Articles Similaires