Ireo fahadisoana mahatonga ny sakafo tsy mahavoky ela
Maro ny olona mahatsiaro noana indray ora vitsy monja aorian’ny sakafo (repas). Tsy voatery noho ny hakelin’ny sakafo no anton’izany, fa matetika avy amin’ny firafitry ny sakafo sy ny fomba fihinana azy. Miankina amin’ny otrikaina sy ny fomba handevonan’ny vatana ny sakafo ny fahatsapana voky na « satiété ». Araho eto àry ireo fahadisoana mahatonga ny sakafo tsy mahavoky ela na « mora levona » hoy isika.
Fahadisoana mahatonga ny sakafo tsy mahavoky ela : tsy ampy proteinina
Ny proteinina no isan’ireo otrikaina mahatonga fahavokisana maharitra indrindra. Miadana kokoa ny fandevonan’ny vatana azy ary manampy amin’ny fampihenana ny fahatsapana hanoanana ihany koa izy io. Raha vary, mofo, paty na sakafo mamy no tena betsaka ao anaty lovia nefa vitsy ny proteinina, dia mety ho mora noana indray afaka fotoana fohy.
Ohatra amin’ny sakafo manankarena proteinina ny atody, henan’akoho, trondro, tsaramaso, voanemba, « tofu », « yaourt nature ».
Tsy ampy « fibre »
Ny « fibre » dia manampy amin’ny fampiadanana ny fandevonan-kanina sy ny fitazonana ny fahavokisana mandritra ny fotoana lava kokoa. Manampy amin’ny fandrindrana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà ihany koa izy. Raha tsy ampy « fibre » ny sakafo dia mora miverina ny hanoanana.
Ahitana « fibre » betsaka ny sakafo toy ny legioma, voankazo, tsaramaso maina, « avoine », vary mena, « pain complet » ary ny voanjo.
Mihinana sakafo voahodina loatra
Matetika ny mofo dipaina, mofomamy, « biscuit » ary sakafo indostrialy maro dia kely ny « fibre » ao aminy ka mora levonin’ny vatana. Mety hampiakatra haingana ny siramamy ao anaty rà ihany koa izy ireny, avy eo hampidina izany tampoka ka mahatonga hanoanana haingana.
Tsy ampy legioma ao anaty lovia
Ny legioma dia manome « fibre » betsaka nefa tsy dia be kaloria. Manampy amin’ny famenoana ny vavony izy ka mampitombo ny fahatsapana ho voky. Raha tsy misy legioma ny sakafo dia mety tsy hahavoky ela na dia betsaka aza ny kaloria ao aminy.
Mihinana haingana loatra
Tsy tonga avy hatrany ny fahatsapana ho voky rehefa misakafo. Mila fotoana ny vatana sy ny atidoha handefasana ireo famantarana milaza fa efa ampy ny sakafo voarain’ny vatana. Rehefa mihinanana haingana loatra isika dia lasa tsy mahatsapa ho tena voky hany ka mora hahatsiaro hanoanana fotoana fohy aorian’ny fisakafoanana.
Misotro zava-pisotro mamy be mandritra ny sakafo
Ny zava-pisotro mamy dia mety hanome kaloria betsaka nefa tsy manome fahavokisana mitovy amin’ny sakafo mafy. Noho izany dia mety hahatsiaro mora noana isika rehefa avy misotro azy ireny. Ny rano no zava-pisotro tsara indrindra rehefa misakafo.





