• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Dnf-Demain Sera Non Fumeur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fifohana sigara : tandremo fa mitera-doza ho an’ny « fumeur passif »

31/05/2023 09:02 © Moov.Mg

Ny olona miaina na mifoka tsy fidiny ny setroka sigaran’ny mpifoka sigara manodidina azy no atao hoe « fumeur passif ». Tsy manelingelina fotsiny ihany ny fofon’ny sigaran’ireo mpifoka sigara maty mitera-doza ho an’ireo tsy mpifoka manodidina azy. Ndeha ho fantarina ary ireo fiantraikan’ny setroka sigara ho an’ny « fumeur passif ».

Mitahiry singa manapoizina ny mpifoka sigara sy ny fumeur passif ny setroka sigara

Ahitana akora simika mihoatra ny 4 000 ny setroka sigara. Anisan’izany akora simika izany ny nicotine, monoxyde de carbone sy ny akora maro samihafa manapoizina. Ahitana singa 50 mety mitarika homamiadana ihany koa ao amin’ny setroka sigara. Tsy ny fahasalaman’ny mpifoka sigara ihany noho izany no simban’ny sigara.
Tafiditra anaty tratra sy ny vatan’ireo tsy mpifoka na fumeurs passifs manodidina azy tokoa mantsy ireo singa manapoizina anatin’ny setro-tsigara miparitaka eny amin’ny rivotra. Marihina fa mijanona mandritra ny or maro eo amin’ny akanjo, volo, tarehy sy ny tanana ny setro-tsigara ka mbola mety manampoizina ny manodidina mpiara-monina ihany raha tsy esorina sy sasana tsara.

Iza ireo olona voakajy anatin’ny fumeurs passifs ?

Sokajiana ho fumeurs passifs avokoa ireo olona tsy mpifoka sigara nefa tafafoka tsy fidiny ny setroka sigara an’ireo olona mpifoka manodidina azy. Tafiditra ao anatin’izany ny ankizy, ny zaza am-bohoka, ny tanora sy ny olon-dehibe. Ny setroka sigara ao an-tokantrano no anisan’ny manampoizina indrindra ny fumeurs passifs raha ny voalazan’ny « Académie de médecine ».
Marihana fa rehefa mifoka sigara ao an-trano ny mpifoka sigara iray dia miara tafafoka ny setrok’izany avokoa ny mpiray trano aminy. Raha ambony kokoa ny fanapozinana avy amin’ny setro-tsigara ao amin’ny toerana mihidy, tsy kely lanja noho izany ny eny amin’ny toerana ankalamanjana, indrindra ireo mitafo toy ny lavarangana…

Inona avy ary ireo fiantraikan’ny fifohana sigara eo amin’ny fumeurs passifs ?

Miteraka voka-dratsy ho an’ireo fumeurs passifs isan-tsokajiny ny setroka sigaran’ireo mpifoka sigara.
Ho an’ny zaza ao am-bohoka
Raha toa ka mahery mifoka sigara ny reny mitondra vohoka dia mety ho afa-jaza, manao zaza an-tsoso-koditra na ho teraka tsy tonga volana. Mety tsy hitombo ara-dalàna ihany koa ny zaza ao an-kibo ka ho kely lanja rehefa teraka. Mety miseho ihany koa ireo tsy fahatomombanana voalaza ireo raha raha toa ka tafiditra anatin’ny fumeur passif ilay vehivavy bevohoka.
Ho an’ny zaza sy ny ankizy
Maro ireo voka-dratsin’ny fifohana sigara eo akaiky na manodidina ny zaza sy ny ankizy. Mangirifiry ny maso, ny tenda sy ny orony nohon’ny setroka sigara. Mitombo ihany koa ny mety ahazoany aretina toy ny sery, otites, asthme, kohoka sy aretin’ny taovam-pisefoana. Mety miteraka fahafatesana tampoka eo amin’ny zaza menavava ihany koa ny fifohana sigara akaiky na manodidina azy matetika.
Ho an’ny olon-dehibe
Mitombo 27% ny mety risque ahatapaka lalan-drà ny olon-dehibe fumeur passif izay mifoka tsy fidiny sy mandritra ny fotoana maharitra ny setro-tsikara ny mpifoka sigara manodidina azy. Mitombo 25% kosa ny risque ahazoan’ny olon-dehibe fumeur passif ny homamiadan’ny avokavoka (cancer du poumon) raha miara-miaina amin’ny mpifoka sigara ao an-trano. Mety mitarika fahatapahan’ny lalan-drà ao amin’ny atidoha (AVC) ho an’ireo fumeurs passifs ihany koa ny fifohana tsy fidiny ny setro-tsigara.

Arak’izany voalaza rehetra izany dia tsy ny mpifoka sigara irery ihany no mety ho simban’ny setro-tsigara fa ny manodidina azy tsy mpifoka ihany koa. Marihana ny 31 mey isan-taona ny andro maneran-tany tsy ifohana sigara ka ndeha ary hiaro ny tena sy hiaro ny hafa amin’ny fanatsaharana ny fifohana sigara !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo