• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Futura Science
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina Parkinson, aretina vokatry ny fihenan’ny sela ao amin’ny atidoha

02/06/2023 09:13 © Moov.Mg

Mangovitra, miraikidraikitra sahirana rehefa mandeha… Matetika voahilikilika sy voatondro molotra eny amin’ny fiarahamonina eny ireo manana soritr’aretina Parkinson. Ho resahana eto ary ireo zava-dehibe mikasika ny Parkinson mba ampahafantarana ny be sy ny maro ary mba ahafahana manampy ireo marary hiatrika ny fiainana andavanandro.

Inona ny atao hoe aretina Parkinson ?

Araka ny fanazavana nomen’i Dr Julien Razafimahefa, neurologue ao amin’ny Service de neurologie Befelatanana, ny aretina Parkinson dia aretin’ny atidoha izay vokatry ny fihenan’ny sela ao anatin’ny atidoha antsoina hoe « neurone ». Ity farany moa no mpanambotra ny “molécule” atao hoe « dopamine ». Ilain’ny atidoha ny dopamine mba ahafahany mibaiko ny vatana amin’ny fihetsehana.
Amin’ny ankapobeny dia manomboka eo amin’ny faha 50 taonan’ny olona marary no mitranga voalohany ny fambaran’ny Parkinson. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny antony mahatonga ny fienana am-pitoerana ny neurone ao amin’ny atidoha. Tsy voafaritra ihany koa hoe olona toy ny ahoana no mety ho tratr’izany. Noho izany antony izany dia mbola tsy azo sitranina ny aretina Parkinson. Mbola eo am-pikaroana ny fanefitr’ity aretina ity moa ireo manam-pahaizana maneran-tany.
Matetika lava andro ny olona voan’ny Parkinson. Afaka manao ireo zavatra ataon’ny olona salama izy : miasa, manambady, miteraka… rehefa manaraka fitsaboana ara-dalàna. Mety ho sahirana kosa izy amin’ny fanatanterahana ireo asa aman-draharaha amin’ny andavanandro raha toa ka tsy mahazo fandraisan-tanana.

Ahoana ny fisehon’ny aretina Parkinson ?

Ny fienana tsikelikely ny fanamboaran’ny atidoha ny dopamine eo amin’ny olona iray no mitarika ireo fambara ny aretina Parkinson. Misy karazany telo ny fambaran’ny aretina Parkinson. Lasa mangovitra ilay marary rehefa tsy manao ninoninona, mihenjana ny vatany ary miraikidraikitra eo amin’ny fihetsehana. Matetika dia tsy miara-miseho ireo fambara ireo.
Amin’ny voalohany mahatsiaro mavesatra be ny ila-tanana na ila-tongotr’ilay olona marary. Manaintaina ny vanin-taolana. Avy eo manomboka mitranga tsikelikely amin’izay ny fangovitan’ny ilam-batana rehefa tsy manao ninoninona, ary ny tanana matetika no itrangan’izany fambara voalohany izany. Mijanona ilay fangovitana rehefa mitazona zavatra ilay marary ary miverina indray vao tsy mitazona intsony. Mitombo izany fangovitana izany rehefa mitaintaina na misy « émotions » be ilay olona, ohatra hoe faly na tezitra.
Mahazana moa rehefa imason’olona no mihetsika be ilay mangovitra, indrindra rehefa mandray fitenenana. Rehefa mandeha ny fotoana ka tsy voaray an-tanana ilay olona voan’ny Parkinson dia lasa mihombo ilay aretina sy ireo fambara. Lasa tsy kinga ny ilam-batana ka miteraka olana amin’ny fiainana andavanandro. Ohatra lasa sahirana rehefa misakafo satria ela be vao tonga any am-bava ny tanana. Lasa sarotra aminy ihany koa ny manoratra satria sady ela be no mihakely tsy voavaky ny soratra.
Ankoatra izay dia lasa miraikidraikitra ihany koa ilay marary rehefa manao fihetsika, indrindra ny rantsam-batana. Rehefa mandeha izy dia miraikitra manaraka ny vatana ny tanana ka lasa tsy mahay mandeha tsara fa toa mijaikojaiko kely sy somary manjoko. Matetika ny ilan’ny vatana no voakasik’ireo fambaran’ny Parkinson avy eo lasa mihitatra amin’ny ilan’ny vatana izany. Mety maharitra aman-taonany vao mihombo ilay aretina nefa mety ho somary aloha ihany koa.

Inona ny fandraisan-tanana atao amin’ny olona tratrin’ny aretina Parkinson ?

Tsy azo sitranina ny Parkinson fa azo atao tsara kosa nefa ny mitsabo ireo marary mba ahafahan’izy ireo miatrika ny fiainana andavanandro. Araka ny voalaza teo aloha dia tsy ampy dopamine ny olona voan’ny Parkinson. Fomba iray voalohany ataon’ireo mpitsabo amin’ny fandraisan-tanana ny marary noho izany ny fanomezana azy fanafody manolo ny fiasan’ny dopamine. Eo amin’ny fiantombohan’ny aretina no ampiasana izany fanafody manolo ny dopamine izany, izany hoe ho an’ireo marary latsaky ny 65 taona. Rehefa mihoatra io taona io ny marary dia omena fanafody misy dopamine mihintsy amin’izay.
Ankoatra ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafody dia misy ihany koa ireo fomba hafa afaka hanampiana ny olona voan’ny Parkinson. Anisan’izany ny fanaovana « kinésithérapie » mba hampitoniana ny fanaintainana vokatr’ilay vatana lasa mienjana na miraikidraikitra. Mety amin’ireo marary ihany koa ny fanaovana « danse de salon » toy ny « valse » nohon’ny firindran’ireo fihetsika atao amin’izany.
Manampy betsaka ny olona voan’ny Parkinson amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny fanohanana ara-tsaina avy amin’ny mpiray monina aminy. Matetika tokoa mantsy izy lasa mampiseho toetra toa kivikivy, kamokamo na kizitina. Tsy fanahy iniany ireny toetra ireny fa ilay aretina no mahatonga izany. Mila mahafantatra tsara ity aretina ity noho izany ireo mpiara-monina aminy mba ahafahan’izy ireo manampy sy manohana ara-tsaina azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo