Ny zazakely misy rivotra na « coliques du nourrisson » : ahoana no atao ?
Zazakely mitomany be, mitambokona tsy mahazo aina, mandefa rivotra matetika… mety « coliques du nourrisson » no mahazo azy na ilay ataontsika hoe misy rivotra ny kibony. Fa inona tokoa no mahatonga ny zazakely misy rivotra ? Ahoana ny fomba ahafantarana sy hampitoniana izany ?
Inona no mahatonga ny zazakely misy rivotra ?
Marihana fa tsy aretina ny « coliques du nourisson ». Ny antony voalohany mampisy rivotra ny zazakely dia ny tsy fahamaotinan’ny tsinainy. Rehefa mbola latsaky ny 4 volana ny zazakely tokoa mantsy dia mbola tsy matotra tsara ny tsinainy ka lasa mamorona rivotra rehefa mandevon-kanina. Afaka ho azy izany rehefa lehibe sy maoty ny tsinainy.
Antony iray hafa mety mahatonga ny zazakely misy rivotra ihany koa ny fomba fampinonoana tsy araka ny tokony ho izy. Izany hoe tsy tafiditra tsara ao amin’ny vavan’ny zazakely ny lohanono ka manjary mampiditra rivotra rehefa mitsetsitra izy. Mety mahatonga « coliques du nourrisson » ihany koa ny tsy fahazakany singa anaty ronono, ny rarin-tsain’ny reny miampita amin’ny zaza ka lasa manotika ny kibony… Arak’izany dia tsy avy eo amin’ny foitra na ny hatsiaka no mampisy rivotra ny zaza.
Ny fomba ahafantarana zazakely misy rivotra
Misy fambara maromaro ahafantarana zazakely misy rivotra, toy ny hoe :
-Mitomany be tampoka, indrindra rehefa hariva na amin’ny alina ;
-Mamokona totohondry ;
-Mivaramena be ny tarehiny ;
-Mitambokona ataony miforitra miakatra ny tongony ;
-Mandrezatra sy mandefa rivotra matetika ;
-Mibontsina mafimafy ny kibony.
Inona no tokony atao hampitoniana zazakely misy rivotra ?
Satria moa tsy aretina ny « coliques du nourrisson » na ny hoe zazakely misy rivotra dia tsy misy fitsaboana atao amin’ny zaza noho izany hanalana izany. Ny azo atao kosa nefa dia ireo fomba tsotra mampitony ny fanaintainana vokatry ny rivotra ao amin’ny kibon’ny zaza. Anisan’ireo fomba azo atao ny :
Manotra ny kibo amin’ny menaka toy ny diloilo na « huile d’amande douce ». Hafanaina amin’ny tanana ny menaka (atao mifampikosoka ny fela-tanana roa) dia iny no hanorana moramora ny kibon’ny zaza sy ny lamosiny mba hivoaka ny rivotra. Atao amin’ny fotoana alavitry ny sakafo na fampinonoana ny fanorana mba tsy hampandoa ny zaza. Tsy tsindrina mafy loatra ihany koa ny kibo.
Mampihetsiketsika ny vatan’ny zaza mba hanaitaitra ny tsinainy. Tsotra ny fomba atao amin’izany : atao toy ny mivoy bisikileta ny tongony, aforitra dia atsotra ny fehy. Izay no averimberina mandritra ny 5 minitra eo, ary atao indray mandeha isan’andro. Hamaranana azy, dia hatsilany eo ambony fandriana ny zaza dia ampiakarina mankany amin'ny kibony tsirairay ny tongony, sady somary ahainga mankany amin'ny kibony ny vodiny. Manampy azy hamoaka ny rivotra izany.