• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Gamane : Niditra tao avaratr'i Vohémar tamin'ny 6 ora maraina teo

27/03/2024 07:46 © Moov

Météo : Niditra ny morontsirak'i Madagasikara, tao amin'i Kaominina Ampisikinana, Distrikan'i Vohémar, ilay rivodoza Gamane, ny maraina tamin'ny enina ora latsaka teo ho eo.

Efa nambaran'ny foibe famantarana ny toetr'andro eto Madagasikara moa fa faritra mena ny ao Diana sy Sava nanomboka tamin'ny 4 ora maraina teo. Tanjaka "Cyclone Tropical" no ananan'ilay rivodoza Gamane satria 150Km/ora ny rivotra miaraka aminy. Entanina ireo mponina ao amin'ireo faritra mena mba hanaraka ireo toromarika omen'ny tompon'andraikitra eny an-toerana. Miakatra tokoa mantsy ny rano ka sarotra ny fifamezivezena. Entanina ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Antsiranana sy Mahanoro sy eo anelanelan’i Analalava sy Antsiranana mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka.

Faritra mavo (Loza manambana)

Mikisaka mianandrefana somary Atsimo-Andrefana ilay rivodoza Gamane. Noho izany dia mety hikasika faritra hafa izy vao hivoaka any an-dranomasina. Faritra mavo ny ao Ambatosoa sy Analanjirofo.
Tombanana ho betsaka hatrany ny rotsakorana any Sava sy Analanjirofo. Hanorana any Diana sy ny ilany atsinanan'i Sofia. Handrahona amin'ny ankapobeny any Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany sy Atsimo atsinanana ary ny ilany atsinanan'ny atin-tany izay mety arahin'erika indraindray. Hibaliaka ny masoandro any an-kafa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo