• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Fid
Image
Vaovao

Tetikasa Haratonaina FSR : Tokantrano marefo vaovao miisa 281.000 no hisitraka azy

28/03/2024 11:48 © Moov.Mg

Ao anatin’ny dingana famaranana azy ny tetikasa haratonaina « Filets sociaux de sécurité- FSS », izay nanomboka ny taona 2016 ary efa hatomboka ny vaovao, izay tetikasan’ny fi­tondram-pankajana malagasy, arindran’ny minisiteran’ ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony, ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Hanomboka ny volana aprily

Nankatoavin’ny Filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina omaly ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tetikasa haratonaina « filets de sécurité et de résilience-FSR », izay tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, toy ny Banky Iraisam-pirenena. Tokantrano marefo vaovao 281.000 no hisitraka ny tetikasa, izay amin’ny volana aprily ho avy io no hanombohana azy, amin’ny fizarana ny vola hanohanana ireo tokantrano marefo ireo. Hiparitaka amin’ny faritra 23 eto Madagasikara ny tetikasa. Ny hanamafisana ny fiarovana ara-tsosialy sy hanohanana ireo tokantrano tena marefo no tanjona amin’ny hanatanterahana ity tetikasa vaovao FSR ity, izay tohin’ny tetikasa « Filets sociaux de sécurité# FSS » teo aloha.

Manamafy ny sandan-tohitra

Raha ny fanazavan’ny Tahirim-bola ho an’ny Fampandrosoana (FID), izay mpanatanteraka ny tetikasa eny ifotony, dia ahafahana miaro ny mpiara-belona amin'ireo karazana tandindona amin'ny alalan'ny fanamafisana ny sanda-tohiny (résilience), ny tetikasa haratonaina. Amin'ny alalan'ireo asa fampandrosoana miendrika fiofanana, ny fampiharan'ireo ankohonana mpisitraka ireo fomba fanao vaovao dia manampy amin'ny fampandrosoana lovainjafy sy ny fihatsaram-piainana. Ireo tetikasa haratonaina toy ny « Vatsin’ankohonana », ny « Fiavota », ny haratonaina ambonivohitra « Mijoro » sy « Milofo », ny « Asa Vonjy Voina » sy « Tosika Fameno », dia nositrahan’ny tokantrano miisa 580.000 tamin’ny disitrika niisa 82, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra.

Mitentina 250 tapitrisa dolara

Ireto fandaharanasa telo samihafa ho hita ao anatin’ny tetikasa ankapobeny FSR kosa dia, voalohany ny « haratonaina sy Sandatohitra », ka hahitana ny “asa avotra mirindra”, “vatsin’ankohonana sy fiavota”, “asa vonjy voina” ary “sandatohitra sy fampiantiana ara-pamokarana”. Faharoa dia ao koa ireo tetikasa ho fanamafisana ny fitantanana, ny fanaraha-maso ary ireo andraikitra ho fiarovana ny fiarahamonina. Ny FID avokoa no hiandraikitra ireo. Ny fandaharanasa fahatelo, izay natao ho fanamafisana ny rafim-panjakana handrindra ireo asa fiahiana ny mpiara-belona, dia hiandraiketan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina. Mitentina 250 tapitrisa dolara amerikana ny totaliben’ity tetikasa vaovao ity ary haharitra hatrany amin’ny taona 2027.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo