• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Emploitic Blog
Image
Asa & Fianarana

Mitady asa : torohevitra manampy rehefa manao CV

05/04/2024 11:49 © Moov.Mg

Efa samy mahafantatra ny votoatin’ny CV na Curriculum Vitae avokoa isika rehetra. Mivoatra hatrany nefa ny fomba fandrafetana azy ireny ka mila maharaka izany fivoarana izany. Ireto ary ny torohevitra tsara arahana rehefa mandrafitra CV mba ampafonja azy sy hisarihana ny sain’ny mpampiasa.

Mampiasa fehezanteny mazava sy fohy

Antontan-taratasy iray mifehy ny fari-pahaizana sy ny fahaiza-manaon’ny mpitady asa ny CV. Izy io no fifandraisana voalohany eo amin’ny mpitady asa sy ny mpampiasa. Matetika dia mahavoaray CV maro ity farany isaky ny misy tolotr’asa avoakany. Noho izany mila atao mazava tsara sy fohy ny fehezanteny anatin’ny CV mba hanintona sy hanaitra ny sain’ny mpampiasa. Mampazoto sy mahaliana kokoa ny mamaky CV fohy nefa mafonja ny votoatiny.

Manazava ny trai-kefa azo tamin’ireo asa nosahanina

Efa tsy mionona amin’ny fitanisana ireo andraikitra sy asa nosahanina teo aloha intsony, ankoatra ny mombamomba ny tena sy fianarana norantovina, ny fandrafetana CV. Mila hazavaina amin’ny fehezanteny fohy ireo asa natao sy ny traikefa azo tamin’izany. Izany dia mba ahafahan’ny mpampiasa mahafantatra sy manombana ny fahaiza-manao manoloana ilay asa angatahina. Tsara kosa nefa raha ireo traikefa mifanaraka amin’ilay asa kendrena sy ny sehatra idirana no avoitra kokoa.

Mitandrina tsara ny fitsipi-pitenenana

Averimberina vakiana tsara ny CV alohan’ny handefasana azy any amin’ny mpampiasa. Izany dia mba hisorohana ny mety ho teny latsaka sy ny diso tsipelina. Anisan’ireo zavatra hitsaran’ny mpampiasa ny fahaizana sy ny fitandreman’ny mpitady asa tokoa ny fitsipi-pitenenana sy ny tsipelina mandrafitra ny CV. Misy ireo mpampiasa no tsy manohy mamaky ny CV raha vao mahita fahadisoana ao anatiny. Tandremana ihany koa mba ny fiteny takian’ny orinasa ao anatin’ny tolotr’asa no ampiasaina. Ohatra : raha amin’ny fiteny anglisy ilay tolotr’asa dia atao amin’ny teny anglisy ihany koa ny CV sy ny « Lettre de motivation ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo