• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Recettes De Cuisines De Mamie Mijane
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fandrahoana « carpe royale sauce »

18/04/2024 15:37 © Moov.Mg

Isan’ny trondron-dranomamy matsiro sy be nofony tokoa ny « carpe royale ». Ny maha samihafa azy ireny amin’ny « carpe » tsotra dia izy tsy be kirany be sy tsy dia be taolana loatra rehefa hoanina. Tena matsiro tokoa izy ireny rehefa hay ny mahandro azy. Araho eto ary ny fomba hikarakarana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hahandro « carpe royale sauce »

-Trondro « carpe royale » 1kg ;
-Voatabia 4 lehibe ;
-Tongolo 4 lehibe ;
-Tongolo gasy 1 manontolo ;
-Menaka ;
-Sira ;
-Tongolo maitso sy kotomila (tsy voatery).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Kikisana ny kiran’ny trondro ary diovina hiala ny tsinay sy ny loto ao anatiny. Sasana tsara avy eo tetehana araka izay habeny hitiavana azy. Atao anaty « passoire » lehibe mba hitsiaka ny rano.
Mikarakara ny « sauce ». Endasina ny tongolo sy ny voatabia voatetika. Arotsaka ny tongolo gasy voatoto ary asiana sira mahampy ny nahandro.
Rehefa malemy ny « sauce » dia zaraina roa. Ny ampahany iray ajanona anaty vilany ary ny ampahany faharoa kosa loarana anaty lovia.
Apetraka eo ambin’ilay « sauce » anaty vilany ny trondro voatetika. Tsara raha atao somary lehibe ny vilany ampiasaina mba ahamora ny fandrahoana ny nahandro. Raha diso mifanetiety be loatra dia mety ho mora may ny ao ambany.
Rarahana eo ambonin’ny trondro ireo « sauce » tao anaty lovia.
Ampiana menaka kely miaraka amin’ny rano roa vera.
Avela hiketrika ambony afo malefaka ny nahandro ary tsy kitihana mihintsy mandrapa masaka azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo