• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Masoandro Mody
Image
Fahasalamana&Sakafo

Olona voan’ny « Alzheimer » lasa malain-komana : ahoana ny atao ?

22/04/2024 10:35 © Moov.Mg

Misy fiantraikany eo amin’ny fahazotoan-komana ny aretina « Alzheimer », indrindra raha efa marary be ilay olona. Mba hiarovana azy ireny amin’ny tsy fahampian-tsakafo dia mila fikarakarana manokana izy ireo mikasika ny fanomezana sakafo azy. Fa inona tokoa no mahatonga ny olona voan’ny Alzheimer ho lasa malain-komana ? Inona ny fikarakarana tsara atao manoloana izany ?

Ireo antony mety mahatonga ny olona voan’ny « Alzheimer » ho lasa malain-komana

Maro ny fiantraikan’ny aretin’ny atidoha, toy ny « Alzheimer », eo amin’ny fiainan’ilay marary. Anisan’izany ny falain-komana na koa ny fihinanana sakafo be loatra. Maro ireo antony mety mahatonga fikorontanana ny fisakafoanana eo amin’ny olona voan’ny « Alzheimer » :
-Mihena ny fahatsapany hanoanana ka mitarika falain-komana ;
-Mihena ny fahenoany fofona ary lasa ka misy fiantraikany amin’ny faniry hinana ny sakafo haroso aminy izany ;
-Mihamanjavozavo ihany koa ny fahitana ka lasa tsy mahita tsara ny endrin’ny sakafo sy ny lokony. Raha izany no mitranga dia lasa tsy dia mazoto homana ;
-Mahatonga fangovitana sy fihenan’ny tanjaky ny hozata izay manasarotra ny fisakafoana (fitazomana ny sotro, ny antsy, ny kaopy…) ;
-Fisian’ny olana amin’ny fitadidiana ka lasa manadino ny fotoana hisakafoanana na koa hoe lasa misakafo matetika loatra ;
-Ny fahatsapana tena ho irery, indrindra raha toa ka efa maty vady, tsy manana zanaka na lavitra azy ireny… izay miteraka rarintsaina. Ity farany dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fahazotana misakafo. Na lasa malain-komana ilay marary na lasa te hisakafo foana ;
-Mihavery ny fahatsapana tsiron-tsakafo ka lasa manampy sira na siramamy be loatra ilay marary rehefa misakafo. Mazava ho azy fa mety hankarary izany fahazarana izany rehefa mandeha ny fotoana.

Torohevitra hikarakarana atao hanampiana ireo marary

Mila misakafo ara-dalàna ary indrindra ara-pahasalamana ny marary voan’ny « Alzheimer » mba hiarovana azy amin’ny aretina mety ho vokatry ny fikorontanan’ny fisakafoanana. Mba hanampiana azy amin’izany ary dia tsara raha :
-Mipetraka eo akaikiny ny olona mikarakara azy rehefa manome sakafo na mamahana azy mba hampitony ny sainy ;
-Tambatambazana izy rehefa omena sakafo tsy mahazo mivatravatra na manery azy ;
-Asiana fiarovana ny akanjony tsy ho tratry ny loto na ho mandon’ny sakafo na ny rano. « Serviette » no ampiasaina fa tsy « bavoir » akory ;
-Lazaina azy ireo sakafo aroso azy. Izany hoe ny akora nampiasaina amin’ny nahandro. Ezahana atao tsara endrika, tsara fofona sy tsara tsiro. Sakafo tiany ihany koa no ezahana omena azy ;
-Raha sendra mifangaro ny fitaovam-pisakafoanana ampiasaina noho izy very tadidy dia atoro azy am-pitiavana ny tokony ho izy. Tsy manakihina na mihomehy azy satria mety handratra ny fony izany. Marihana fa tsy voatery ho very saina tanteraka ny mararin’ny « Alzheimer » na dia hoe very tadidy aza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo