• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © L'Humanité- Musée De La Photographie Madagascar
Image
Madagasikara

Tantara : Inona marina no tena nitranga tamin'ny 13 mai 1972 ?

13/05/2024 10:54 © Moov

Somary mangingina ary tsy asiana fanamarihana mihitsy aza ny "13 mai". Andro fiasana rahateo io daty io. Inona àry no tena tantara raketiny ?

50 taona mahery izay no nisian'ny rà mandriaka teny Analakely, manoloana ny Lapan'ny Tanàna. Teo ho eo amin'ny efapolo isa teo ny namoy ny ainy, izay saika mpianatra tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo avokoa. Nangataka ny hitovy amin'ireo mpianatra ho dokotera teny Ankatso ireo mpianatra tao Befelatanana. Niombon-kery nefa ireo mpianatra rehetra avy eo. Maherin'ny zato ireo naratra. Tsy adino ireo voasambotra aman-jatony, indrindra ireo mpitarika, izany nalefa nifonja tany Nosy Lava. Ireo mpianatra teny amin'ny Ambaratonga Ambony no nitarika fitokonana, noho ny fitakiana ny hanovana ny rafi-pampianarana sy ny fandaharam-pianarana, izay mbola nangalana tahaka tanteraka ny Frantsay.
Tamin'io andro io dia nipoaka ny basy, noho ny fanakanan'ireo mpitandro ny filaminana ny hetsika, sy fandravana ireo mpitokona aman'arivony. Rehefa hitan'ireo mpitokona fa maro ireo maty dia nodoran'izy ireo ny Lapan'ny Tanàna (Hôtel de Ville).
Ankoatra ny fitakiana ny fanoloana ny fandaharam-pampianarana, nisy olana lehibe hafa ihany koa izay nitadiavana vahaolana :
-Fanafoanana ny fifanarahana amin'ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina amin'i Lafrantsa ;
-Fitakiana ny fijerevana manokana ireo tanora sahirana ara-pivelomana. Nangataka tamin'ny Fanjakana ireo mpitokona ny amin'ny hahafahan'ireo tanora ireo mianatra any amin'ny sekoly Ambaratonga faharoa.
Ny 18 may 1972 no rava tanteraka ny Governemantan'i Philibert Tsiranana, izay nanamarika ny fifaranan'ny Repoblika voalohany. Niditra tamin'ny "Directoire militaire" moa ny Firenena Malagasy avy eo, satria natolotry ny Filoham-pirenena ny Foloalindahy ny fahefana. Ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, izay sady Praiminisitra no manam-boninahitra, no nitondra ny firenena Malagasy, ny volana may 1972 hatramin'ny febroary 1975.

Saritsarim-pahafahana

Raha tsiahivina dia fifanarahana tamin'ny frantsay mpanjanaka no nahazoan'i Madagasikara fahaleovantena. Tsy ireo depiote tena naniry ny hanafoana ny fanjakanjakan'ny Frantsay, dia ry Joseph Raseta sy ry Ravoahangy, no nahazo ny fitondrana, fa ireo antoko nanaiky ny fandaminana frantsay. Nosamborina ireo mpikambana tao amin'ny MDRM izay notsaraina ho "mpikomy". Nahazo vahana ireo nanaiky ny fifampiraharahana tamin'ny mpanjanaka. Noho izany indrindra, i Philibert Tsiranana, mpanorina ny PADESM, no lany ho filoham-pirenena Malagasy voalohany, izay nandray ny fitondrana tamin'ny taona 1960. Mpikambana tao amin'ny Antenimierampirenena Frantsay ny tenany, no lasa filoham-pirenena Malagasy manohy ny fifampiraharahana amin'i Lafrantsa (président de Madagascar indépendant sous protectorat de la France).
Ireo tsara ho fantatra :
-Ny 12 may 1972, nisy ny fisamborana ireo mpianatra nanomana fihaonambe, nivory teny Ankatso. Tezitra noho izany ireo mpianatra ka nirohotra nankeny amin’ny Araben’ny fahaleovantena ny ampitso, izany hoe ny 13 may 1972. Niainga avy eny Ankatso ny diabe
-Ankoatra ireo mpianatra dia nisy koa ireo olon-dehibe nosamborina toa ny dokotera Rakotomalala Manan’Ignace sy ny dokotera Rasamoelina Lala
-Tezitra ny mpitokona ka nendahin’izy ireo ny takelaby “PLACE PHILIBERT TSIRANANA”. Teraka teo ny anarana hoe KIANJAN’NY 13 MEY, sady niforona teo koa ny teny hoe ROTAKA. Nisy ny mpanararaotra nandroba
-Nanomboka ny 15 may 1972 ny Grevy faoben’Antananarivo. Nisy ny filaharambe nihazo an’Andafiavaratra, toeram-piasan’ny filoham-pirenena. Teo Andohalo anefa no nosakanan’ny miaramila ny mpilahatra fa ny solon-tenam-piangonana 4 dahy no nihaona tamin’ny filoha dia ny pastora Daniel Ratefy, ny Kardinaly Jérôme Rakotomalala, ny Réverend Rasoloarivony ary ny pastora Rasendrahasina Titus.
Raha ho an'ireo mpahay tantara manokana, ny taona 1972 no ambara fa "fahaleovantena faharoa" (deuxième indépendance) ho an'i Madagasikara. Niha-lefy mantsy ny fidiran'i Lafrantsa tamin'ny raharaha anatiny teto amin'ny firenena. Iaraha-mahalala nefa fa hatramin'izao vanim-potoana izao, na dia efa aty amin'ny Repoblika faha-efatra aza, dia mbola tsy mety tafasaraka tanteraka amin'i Lafrantsa i Madagasikara, amin'ny lafiny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires