Parc National Ankarafantsika : Toeram-pizahantany mitahiry harena voajanahary sy biby arovana eto Madagasikara
450 kilometatra miala an'Antananarivo ary 114 kilometatra tsy hahatongavana an'i Mahajanga no misy ny Parc National Ankarafantsika. Amoron-dalana, eny amin'ny RN4, no misy ny vavahady lehibe fidirana. Raha mandeha amin'ny lalana mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga izany dia tsy maintsy mahatazana izany toeram-pizahantany arovana izany.
135 000 ha be izao ny velaran'ny Parc National Ankarafantsika, ao amin'ny faritra Boeny. Mazava ho azy, raha te hahita ireo karazana harena voajanahary sy biby dia tsy maintsy miomana amin'ny dia an-tongotra lavitra. Misy kosa nefa ireo toerana tsy maintsy andehanana fiara tsy mataho-dalana na sambokely. Tsara ny manamarika fa ny Madagascar National Parks (MNP) no mitantana io toerana arovana ao Ankarafantsika io. Marihana fa tamin'ny taona 1927 no nisokatra ny teny Ankarafantsika. Nitarina ny toerana satria lasany ihany koa ny réserve sy ny station forestières Ampijoroa tamin'ny taona 2022.
Voasoratra ho "Patrimoine mondial de l'UNESCO" ny Parc Ankarafantsika tamin'ny taona 2023, noho ny fananany "Ala maina" an'ny faritra Andrefana.
Karazam-biby miaina anaty ala sy rano
Vitsy ihany ireo biby tsy maintsy atao anaty toerana mifefy sy mihidy ao Ankarafantsika. Misy ohatra ny soka-drano izay ampitomboina taranaka ka tsy maintsy arahi-maso. Ny ankamaroan'ireo biby dia any anaty ala na rano, izany hoe miaina "à l'état sauvage".
Ny ala moa dia misy biby isan-karazany toy ny Sifaka, ny tarondro, ny bibilava sy ireo voronkely isankarazany. Maro amin'ireo voronkely, 70 eo ho eo, no tafiditra ao anatin'ny lisitry ny biby arovana sy ahiana ho lany tamingana, toy ny Pygargue de Mdagascar, Dyal malgache, Bulbul de Madagascar, ny Propithèque de Coquerel sy ny Faucon de Newton. Tsy misy tolorana sakafo moa ireo biby rehetra ao Ankarafantsika fa mihinana ireo zava-maniry ao an-toerana. Marihana fa misy tsy hita ireo biby ireo raha tsy amin'ny alina, indrindra ireo gidrokely. Ao Ankarafantsika ihany, eto Madagasikara, no ahitana ny karazana "lémurien nocture" roa, dia ny "Microcebus ravelobensis" sy ny "Avahi occidentalis".
Misy ny Lac sacré Ravelobe, 27ha be izao ny velarany, izay misy voay, antsoina hoe "Crocodiles du Nil". Mpanondraka ireo tanimbary any Marovoay io rano io. Ara-tantara, nisy fianakavian-dRavelobe maty tao amin'io farihy io, ka ireo amin'ireo voay ireo ny fanahin'izy ireo. Tsy ny Lac Rabelobe ihany no misy ao Ankarafantsika fa mbola misy farihy 5 hafa sy loharano mahafinaritra. Koa satria faritry ny Sakalava ny ao Ankarafantsika, misy fasana Ampanjaka maromaro ao an-toerana. Misy ihany koa ny faritra voatokana fanaovana fombafombam-pivavahana ara-drazana sy fanaovana sorona. Ny "joro" ohatra no tena fanao ao Ankarafantsika, ho an'ireo mpandala fomban-drazana.
Ala maina sy Vatobe
Misy karazana "tsingy" ao amin'ny Parc National Ankarafantsika. Vatobe miavaka sy manantantara izy ireo, ka anisan'ny tena manintona mpizahantany tokoa. Tsy inona izany fa ny "Canyon Ankarokaroka". Toy ny vato nokahon'ny riaka izy io ka manome endrika hafakely. Misy faritra azo iakarana amin'ireo vato lehibe, izay hahatazanana ny ala manodidina. Tsara ny manamarika fa misy karazana zava-maniry maherin'ny 800 ao an-toerana, ka anisan'ny hita ao ny Palissandre, ny Baobab sy ireo hazo fanamboarana fanafody (plantes médicinales).
Misy tanànakely maherin'ny 100 moa manodidina an'Ankarafantsika. Saika mpamboly sy mpiompy izy ireo, ary manaja ny fepetra rehetra fiarovana ny ala sy ny biby. Be orana moa any an-toerana, na dia maimaina aza ny tany. Eo anelanelan'ny volana aprily sy novambra no tena misy orana. Mafana nefa ny andro mandavan-taona, ka 25°C eo ho eo ny maripana.
Fanentanana amin'ny fizahantany anatiny
Mila fahafahana ara-bola sy fotoana ny fitsidihana ny Parc National Ankarafantsika. Arakaraka ny "Circuit" andehanana moa ny vola aloha sy ny fotoana laniana. Ho an'ireo mpitsidika teratany Malagasy, 30 000 hatramin'ny 50 000 ariary ny vidin'ny "Guidage", ary maharira 5 ora ny fitsidihana lava indrindra. Mila faharetana tokoa ny mizaha ireo biby, satria tsy voatery ho tazana izy ireny rehefa mandalo ny mpitsidika.
Amin'ny ankapobeny, mbola ireo vahiny no maro an'isa mitsidika ny Parc National Ankarafantsika. Lavitra ny toerana sady maharitra ny fitsidihana ka tsy voatery hazoto hijanona ao an-toerana ireo mpiala sasatra mihazo an'i Mahajanga. Amporisihana nefa isika Malagasy, tompon'i Madagasikara, mba hamantatra sy hitsidika ny firenentsika. Marobe ny harena tsy fahita any amin'ny firenen-kafa, nefa ny mivahiny any ivelany no tena mahamaika sady nandany vola misimisy kokoa. Na ny eto afovoan-tany, na avaratra, na atsimo, na andrefana, na atsinanana, samy misy toerana hafakely tsy mena mitaha amin'ny any ivelany.
