• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Palmier "satrana maitso" : Fanamboarana trano sy tafo any amin'ny tany mafana eto Madagasikara

06/07/2025 20:18 © Moov

Saika trano falafa na trano feta tany mitafo Palmier "satrana" avokoa any avaratra, atsimo sy andrefan'i Madagasikara. Akora mateza sy maharitra tokoa io ravin-java-maniry maina io, ka miaro amin'ny orana sy ny masoandro mandritra ny taona maro.

"Palmier rustique" no tena fampiasan'ireo any amin'ny tany mafana amin'ny fanamboaran-trano. Maniry amin'ny tany ngazana izy, indrindra any amin'ny lalana mihazo an'i Mahajanga, Antsiranana, Toliara sy Morondava. Akora fanaovana trano izy io, indrindra moa ny tafo, sady azo anaovana efitra kely ihany koa. Tsy vitsy ihany koa ireo mitrandraka ny raviny maina hanaovana asa tanana isan-karazany : satroka harona, kitapo sy haingon-trano.

Marihana fa azo ampiasaina ihany koa ny "Palmier Bismark" na "Latanier blanc" ny satrana. Anisan'ireo zava-maniry arovana (plante endémique) eto Madagasikara izy io. Mahery sy matevina kokoa ny raviny, saingy somary sarotsarotra na ny mahita azy na ny maka ny raviny.


Copyright Image : © Jardiner malin

Mampangatsiatsiaka

Tsy dia misy mampiasa tafo fanitso any amin'ireo faritra mafana eto Madagasikara. Ravina hatrany no ampiasaina hanamboarana tafo, mba hiafana kokoa ny hafanan'ny masoandro. Tsy mampikentrona azy ihany koa ny setroka ao an-trano.
Ankoatr'izay, azo anamboarana efitra kely mitokana ny Satrana. Alahatra amin'ny hazo efa mirafitra tsara fotsiny ny ravina, hanaovana takona trano fidiovana na trano fivoahana. Mbola Azo atao varavarankely na varavarambe ihany koa izany ravina izany.
Eo amin'ny manodidina ihany ireo mponina mampiasa ny Satrana no manangona ny fitaovana rehetra ilaina amin'ny fanamboarana trano, trano fidiovana/fivoahana, alokaloka fivarotana, sns.

Fanamboarana mora vidy

Vitan'olon-tsotra ny fanamboaran-trano amin'ny alalan'ny akora natoraly, indrindra moa raha afaka manao tanamaro ny fianakaviana sy ny manodidina. Any anaty alaala na eny amin'ny tany midadasika feno zava-maniry no fanangonana ireo akora rehetra ilaina : Hazo, Satrana, famatorana. Tsy adino ny bararata izay alaina eny amoron-drano. Ilaina ihany koa ny ranontany afangaro tain'omby amin'ny fanamboarana ny rindrina.
Tsara ny manamarika fa ravina Satrana mbola maitso tsara no alaina ka alamina tsara hifanindry, mba tsy hioritroritra rehefa maina. Mila ravina marobe moa satria tsy azo atao misy malalaka ny tafo, mba tsy hidiran'ny rano.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires