• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Autour De Bébé
Image
Reny&Zaza

Zaza minono tanana : tsy tsara atao maharitra loatra

07/06/2024 14:37 © Moov.Mg

Manomboka eo amin’ny faha 2 na 3 volana eo ny zaza no mahafantatra hoe manana tanana ka tia mampiditra izany ao am-bavany sy mitsetsitra izany. Tsy tsara avela minono tanana maharitra loatra nefa izy fa mety miteraka vokadratsy eo aminy izany. ‘Ndeha ary ho resahana misimisy ny mikasika izany.

Ireo mety ho vokadratsin’ny finonoana tanana

Maro ireo mety ho vokadratsin’ny finonoana tanana eo amin’ny zaza, indrindra raha maharitra hatrany amin’ny faha 2 na 3 taonany izy no manao izany. Anisan’izany ny hoe :
-Lasa variana minono tanana ilay zaza ka haninony ny hanoanany. Ny zaza amam-bolana lasa zara raha minono ka mahatonga azy tsy mitombo na mahazo lanja araka ny tokony ho izy ;
-Lasa mihena ny rononon-dreny vokarin’ny vatan’ny mpampinono satria tsy minono matetika ilay zaza ka tsy voaentanentana ny nono ;
-Lasa mikorontana ny fitsirin’ny nify raha minono tanana ny zaza efa feno 2 na 3 taona. Voatsindry tokoa mantsy ny lanilany sy ny nify rehefa minono tanana ka mahatonga ny nify maniry lasa tsy mifanintsy tsara, mifanaingina, mandroso mankany aloha… ;
-Lasa mihatery sy mihalalina ny lanilany satria voatsindry foana rehefa minono tanana ilay zaza. Raha izany no mitranga dia lasa tery ny fidiran’ny rivotra amin’ny orona satria voabahan’ilay lanilany avy aty amin’ny vava. Mety mahatonga fahasarotana amin’ny fanatelemana sakafo na rano na rora ihany koa izany. Izany hoe mety ho mora kofona ilay zaza.

Ireo antony mety mahatonga ny zaza hinono tanana

Ankoatra ny fitiavan’ny zaza mampiditra zavatra ao am-bavany sy mitsentsitra izany dia misy ihany koa ireo antony hafa mahatonga azy hinono tanana, toy ny hoe :

Mety noana ilay zaza

Satria mbola tsy mahay manavaka tsara ny sainy dia ny tanany no atao ao am-bava tsetsafiny raha noana izy. Noho izany, omena nono ny zazakely amam-bolana raha hita fa minono tanana be satria mety tsy nahampy azy ny nono nomena azy.

Mety manao « reflux » izy

Toa ny mandoro ny anaty tendan’ny zaza ny « reflux » ka lasa minono tanana izy mba ampitoniana ny fanaintainana. Mampihena izany tokoa mantsy ny fihetsiketsehan’ny lela sy ny fanatelomana rora rehefa minono tanana. Omena nono na solondronono ihany koa ny zaza mba hampitoniana azy raha sendra manao « reflux ».

Mety mila tambitamby ilay zaza

Rehefa minono ny zaza dia mifampikasokasoka amin'ny reniny ka mahazo hafanana ary tsapany ny fitiavan-dreniny azy. Iny fifampikasohana iny no tiany ho tsapa rehefa minono tanana izy.

Mety mitsiry nify izy

Raha toa ka kakikakeriny be ny tanany fa tsy tsetsafiny dia mitsiry nify izy izay. Omena kaninkanin-kena na ireny « anneau de dentition » ireny izy mba tsy hinono tanana.

Lire la suite

Articles Similaires