• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nutri&Co
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tosi-drà ambany : ireo tsara fantatra mikasik’izany

07/06/2024 16:32 © Moov.Mg

Ny tosi-drà ambany na « hypotension artérielle » dia miseho rehefa mihena tsy ara-dalàna ny tosiky ny rà entin’ny lalan-drà manerana ny vatana. Tsy aretina moa izy io nefa kosa mety misy vokadratsiny ho an’ny fahasalamana raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Ahoana ary ny fisehon’ny tosi-drà ambany ? Inona no mahatonga izany ? Ahoana ny fitsaboana sy fisorohana azo atao ?

Ireo fomba fisehon’ny tosi-drà ambany

Maro ireo soritr’aretina mety ahafantarana ny tosi-drà ambany, anisan’izany ny hoe :
-Fanina matetika ;
-Vizaka sy rera-dava ;
-Manjavona ny maso ;
-Hatsatra ;
-Hatsembohana mangatsiaka ;
-Misalebolebo na mandoa ;
-Safotra.

Ireo antony mety mahatonga ny tosi-drà ambany

Maro ireo antony mety mahatonga ny tosi-drà ambany. Anisan’ireo matetika mitarik’izany ny :
-Tarazo avy amin’ny ray aman-dreny ;
-Tsy fahampiana rano (déshydratation) ;
-Fahaverezan-drà be loatra, ohatra vokatry ny ratra na taorian’ny fandidiana ;
-Fihinanana fanafody sasan-tsasany mampihena ny tosi-drà ;
-Aretina mahazo ny fo izay manakana ny fo tsy hitroka rà ara-dalana ;
-Fikorontan’ny hormonina ;
-« Réactions allergiques graves » toy ireo miteraka fahasemporana ka mampidina tampoka ny tosi-drà ;
-Fitondrana vohoka, miankina amin’ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay.

Ahoana ny fitsaboana atao ?

Amin’ny ankapobeny dia mandalo ihany ary tsy tokony misy atahorana be loatra ny tosi-drà ambany. Raha toa kosa ka miverina matetika be na miaraka amin’ny fambara hafa toy ny fahasemporana, fanaintainana eo amin’ny tratra, safotra mandritra ny fotoana maharitra… dia mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Miankina amin’ny antony mety nahatonga azy ny fitsaboana ny tosi-drà ambany. Ny mpitsabo ihany moa no afaka mamantatra izany sy mamaritra ny fitsaboana atao.

Inona no fisorohana azo atao ?

Maro ireo fahazarana amin’ny andavanandro afaka atao hisorohana ny tosi-drà ambany. Anisan’izany ohatra ny :
-Fisotroana rano 1,5 l na 2 l isan’andro ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ;
-Famerana ny fisotroana kafe sy zava-pisotro misy alikaola ;
-Fifdiana mijanona amin’ny toerana mafana be loatra satria mampihitatra ny lalan-drà ny hafanana ka lasa mampidina ny tosi-drà.

Lire la suite

Articles Similaires