• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Voka-pifidianana vonjimaika avy amin'ny CENI

11/06/2024 11:34 © Moov

Androany 11 jona no namoahan'ny CENI tamin'ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana vonjimaika, mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ny 29 may lasa teo.

Teny amin'ny foiben'ny CENI Alarobia no nanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika.Tsara ny manamarika fa ny HCC no mandray fitarainana ho an'ireo kandida, mpanao politika na olon-tsotra manana fanamarihana mikasika ny fifidianana. Mbola manana roa herinandro ireo mpitsara handinihana ireo fitarainana voaray, izay vao hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy. 48 ora moa no ananan'ireo kandida raha misy tsy mety amin'izy ireo ny vokatra nambara androany.

ANALAMANGA

Voka-pifidianana vonjimaika # Ambohidratrimo : Maminiaina Rabenirina (Firaisankina) 31,81%. 30,55% no azon'i Fenohery Rakotoarisoa (IRMAR)
Voka-pifidianana vonjimaika # Anjozorobe : Edison Razafintsihoarana (Firaisankina) 32,07%. Manda Herilaza Ravelojaona (IRMAR) 30,40%
Voka-pifidianana vonjimaika # Ankazobe : Harijao Percy Razafimandimby, avy amin'ny FIVOI, no mitarika amin'ny salan'isa 51,54%
Voka-pifidianana vonjimaika # Andramasina : Bina Andriamanjato (Indépendant) 53,04%
Voka-pifidianana vonjimaika # Manjakandriana : Henry William Randriamanga (Firaisankina) 31,44%
Voka-pifidianana vonjimaika # Antananarivo Atsimondrano : Voahangy Raharimanarivo (Firaisankina) 42,49%. Ratsivahinisolo Andriniony (IRMAR) 28,27%
Voka-pifidianana vonjimaika # Antananarivo Avaradrano : Benjamina Andriamosa, avy amin’ny Firaisankina, no nahazo ny salan’isa ambony indrindra. Manaraka azy ny kandida Rijaniaina Thierry Radafindramaro (IRMAR).

Antananarivo Renivohitra

Raha ny teto Antananarivo Renivohitra manokana no jerena, saika ny kandida natolotry ny fitondram-panjakana sy ny avy amin'ny antoko mpanohitra no tena nifanandrina. Araka ny hita amin'ny vokatra dia samy nahazo toerana izy ireo. Ny tao amin'ny Boriborintany fahatelo ihany no nisy kandida tsy miankina, Ogascar Fenosoa, nahavita nambabo mpifidy maro an'isa.
-Boriborintany I : Augustin Andriamananoro (IRMAR) 38,04% # Hanitra Razafimanantsoa (Firaisankina)38,25%
-Boriborintany II : Stanislas Randrianarisoa(Firaisankina) 52,01% # Lantoarivola Rakotomanga (IRMAR)38,65% # Longin Razandrindrainy(Indépendant) 9,33%
-Boriborintany III : Ogascar Fenosoa (Indépendant) 30,04% # Feno Ralambomanana (Firaisankina) 25,18%
-Boriborintany IV : Tahiry ny Rina Randriamasinoro (Firaisankina) 46,34% # Dsir Rafidimanana(Irmar)34,33%
-Boriborintany V : Fetra Ralambozafimbololona (Firaisankina) 41,57% # Ranaivo Raholdina (Irmar) 39,62%
-Boriborintany IV : Todisoa Andriamampandry (Firaisankina) # Tantely Razanamandimbisoa (Irmar) 28,74%

VAKINANKARATRA

Voka-pifidianana vonjimaika # Antsirabe II : Olivier Randrianantenaina (Firaisankina) no mitarika amin'ny salan'isa 47,46%
Voka-pifidianana vonjimaika # Betafo : 33,30% no salan'isa ambony indrindra, izay azon'i Randriatahianamalala Livasoa, avy amin'ny vovonana Firaisankina
Voka-pifidianana vonjimaika # Faratsiho : Lalatiana Rakotondrazafy (IMRAR) 40,64% IRMAR, Andriamampionona Ramilison (Firaisankina) 45,29%

HAUTE MATSIATRA

Voka-pifidianana vonjimaika # Ambalavao : 39,95% no salan'isa azon'i Razafimahatratra Daniel (IRMAR) , ary 45,50% no azon'ny Kandida tsy miankina Marceline Rasoanirina
Voka-pifidianana vonjimaika # Ambohimahasoa : Mitarika ny kandidan'ny IRMAR, Honorine Rasoamalala, nahazo ny salan'isa 79,70%
Voka-pifidianana vonjimaika # Fianarantsoa : Michelle Sahondrarimalala (IRMAR) 47,89%, Haritiana Rasolonirainy na Ralava (Indépendant) 22,85%
Voka-pifidianana vonjimaika # Ikalamavony :53,87% no azon'i Rakotoniaina Pety, kandida tsy miankina
Voka-pifidianana vonjimaika # Lalangina : Richard Jean Bosco Rivotiana (IRMAR), kandida tokana, dia nahazo 100%.

MENABE

Voka-pifidianana vonjimaika # Belo sur Tsiribihina : 50,32% no azon'ny kandida tsy miankina Saory Christian
Voka-pifidianana vonjimaika # Manja : Richard Fienena (IRMAR) no mitarika amin'ny salan'isa 50,24%.
Voka-pifidianana vonjimaika # Miandrivazo : Lova Rakotonaina (Firaisankina) 31,21%. Alexandrine Richard (IRMAR) 25,90%. Josiane Rasoavololoniaina (Indépendant) 29,54%
Voka-pifidianana vonjimaika # Morondava : André Haja Resampa (IRMAR) 51,04%

DIANA

Voka-pifidianana vonjimaika # Ambanja : Siritis Darckhaoui (IRMAR) 78,04%
Voka-pifidianana vonjimaika # Ambilobe : Bruno Assimo (IRMAR) 46,15%. Louis Mandrara (Indépendant) 29,02%
Voka-pifidianana vonjimaika # Antsiranana I : Issa Ibrahim (Indépendant) 37,75%. Jocelyne Rahelihanta (IRMAR) 26,11%
Voka-pifidianana vonjimaika # Antsiranana II : Ramamonjisoa Hermann Dahy (Indépendant) 31,83%. Raymond (IRMAR) 43,72%
Voka-pifidianana vonjimaika # NosyBe : François Arosy (Indépendant) 55,40%. Intsay Dahodo (IRMAR) 30,42%

SAVA

Voka-pifidianana vonjimaika # Andapa : Angelin Befototo (IRMAR) 58,98%
Voka-pifidianana vonjimaika # Antalaha : Eric Ferdinant (Indépendant) 50,93%
Voka-pifidianana vonjimaika # Sambava : 100% ho an'ny kandida tokana IMRAR, Mamangy Norbert
Voka-pifidianana vonjimaika # Vohémar : 61,91% no azon'i Stipio Randriamanantena (IRMAR)

IHOROMBE

Voka-pifidianana vonjimaika # Ihosy : Bismark Mong Mann, avy amin'ny IRMAR, no nahazo ny salan'isa ambony indrindra 46,70%
Voka-pifidianana vonjimaika # Ivohibe : Mitarika i Clarisse Eugénie Ramananjarasoa, avy amin'ny IRMAR, 43,86%

ANDROY

Voka-pifidianana vonjimaika # Ambovombe : Philobert Milavonjy (IRMAR) no nahazo ny vato be inndrindra, nahazo ny salan'isa 93,59%.
Voka-pifidianana vonjimaika # Antanimora Sud : 44,47% no azon'i Goulamaly Bruno (Indépendant), 38,08% no azon'ny laharana faharoa Martin Avisoa, kandida tsy miankina.
Voka-pifidianana vonjimaika # Bekily : Ny kandida natolotry ny IRMAR,Déo Andriamameriarivo, no laharana voalohany, nahazo 76,12%
Voka-pifidianana vonjimaika # Beloha : Joseph Randria (IRMAR) 39,14%. Richade Houssen Ramanambita (Indépendant) 60,86%
Voka-pifidianana vonjimaika # Tsihombe : Bernard Tolia (IRMAR) 47,43%. Christian Vontsoa (Indépendant) 27,20%. Masy Goulamaly (Indépendant) 9,52%. Mahaliny (ARB) 15,84%

ANOSY

Voka-pifidianana vonjimaika # Amboasary Sud : Richard Joseph Rakotonirina (Indépendant) 34,75%. Solange Angèle (IRMAR) 29,22%.
Voka-pifidianana vonjimaika # Betroka : 40,41% no azon'ny kandida GJMP, Randrianasolo Nicolas.
Voka-pifidianana vonjimaika # Taolagnaro : Nourdine Chabani, kandida tsy miankina, no nahazo ny salan'isa ambony indrindra, 44,29%

ATSIMO ANDREFANA

Voka-pifidianana vonjimaika # Ampanihy Andrefana : Andriamanantena Razafiharison (IRMAR) 35,59%. Marco Tsaradia (Tsy miankina) 40,68%
Voka-pifidianana vonjimaika # Ankazoabo Atsimo : Michou Pepin, kandida natolotry ny IRMAR, no nahazo ny salan'isa ambony indrindra 77,78%.
Voka-pifidianana vonjimaika # Benenitra : Mitarika ny kandidan'ny Parti Vert Hasin'i Madagasikara, Céléstin Razafindramasy,nahazo 61,45%
Voka-pifidianana vonjimaika # Sakaraha : Jean François Raphael, kandidan'ny Firaisankina, no nahazo ny vato be indrindra, salan'isa 75,54%
Voka-pifidianana vonjimaika # Toliara I : Siteny Randrianasoloniaiko, natolotry ny Firaisankina, no nahazo ny salan'isa ambony indrindra 37,16%
Voka-pifidianana vonjimaika # Toliara II : Houssen Rochelin (Indépendant Vahoaka no hery) 32,71%. Osman Tsitara (IRMAR) 46,79%

BONGOLAVA

Voka-pifidianana vonjimaika # Fenoarivobe : 30,10% Bien-Aimé Randrianarisoa (IRMAR)
Voka-pifidianana vonjimaika # Tsiroanomandidy : Harson Raholijaona (Indépendant) 53,38%

ITASY

Voka-pifidianana vonjimaika # Arivonimamo : Ny avy amin'ny FIVOI, Antoine Rajerison, no tena be mpifidy, nahazo ny salan'isa 77,49%
Voka-pifidianana vonjimaika # Miarinarivo : Bernard Anselme Ravelonjato (Indépendant) 27,13%. Valimanana Ratovoherinavalona (Firaisankina) 20,12%
Voka-pifidianana vonjimaika # Soavinandriana : Roméo Christophe Ramanantanana, kandida tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra, 39,87%

MELAKY

Voka-pifidianana vonjimaika # Besalampy : Yasmirah Mamizara (Indépendant) 22,16%. Liva Sylvie (IRMAR) 53,80%

ATSIMO ATSINANANA

Voka-pifidianana vonjimaika # Befotaka Atsimo : Jonhson Razafindratsara (IRMAR) 34,87%. William Razakandrainy (Indépendant) 24,36%.
Voka-pifidianana vonjimaika # Vangaindrano : Roa ny kandida nitarika dia i Sylvestre Mahavitara (Indépendant) 42,70% sy Tojosoa Randrianasolo (IRMAR) 22,69%
Voka-pifidianana vonjimaika # Vondrozo : 38,29% no azon'i Pauline Randrianasolo, kandida tsy miankina. 34,69% kosa no azon'i Odilon Bototefy, kandida natolotry ny IRMAR

FITOVINANY

Voka-pifidianana vonjimaika # Ikongo : 78,96% no salan'isa itarihan'i Mariette Ravoniarisoa, avy amin'ny vovonana IRMAR. 21,04% kosa no azon'ny mpifaninana aminy, Razafitsiandraofa Jean Brunelle (Firaisankina).
Voka-pifidianana vonjimaika # Manakara : Nadine Andrianasolo (IRMAR) no be mpifidy indrindra, nahazo ny salan'isa 55,72%

Lire la suite

Articles Similaires