• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Fampianarana : Manomboka amin’ity volana janoary ity ny fisoratana anarana amin’ireo fanadinam-panjakana

07/01/2025 12:27 © Moov

Nanomboka niverina tany an-tsekoly, omaly, 6 janoary indray ny mpianatra amin’ny ambaratonga ambany taorian’ny fialan-tsasatry ny Noely sy ny taom-baovao. Nisokatra niaraka tamin’izany ihany koa ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana.

Manomana sahady ny CEPE sy ny BEPC

Efa nisokatra omaly, alatsinainy ny fisoratana anarana ho isan’ny mpandray anjara amin’ny fanadinam-panjakana CEPE. Manana roa volana eo ho eo ireo mpianatra sy ireo Ray aman-dReny ary ireo sekoly amin’izany fanoratana anarana ny mpianatra izany. Hifarana ny 28 febroary io fisoratana anarana io ho amin’ity fanadinana voalohany ity. Raha tsiahivina dia tokony ho ny 17 jona no hanatanterahana ny fanadinana hoan’ireo kilasy fahadimy ireo. Etsy ankilany dia hisokatra ny 13 janoary izao kosa ny fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara amin’ny BEPC. Hifarana ny 7 marsa kosa izany ary hotanterahina ny 30 jona hatramin’ny 3 jolay ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana BEPC. Tsara ny manamarika fa ny sekoly no miandraikitra ny fanoratana ny mpianany. Ireo ankizy kosa no manatitra ny antontan-taratasiny ho an’ireo mpiadina mahaleotena na candidat libre. Manamafy hatrany ny Minisitera fa maimaim-poana hatrany ny fandraisana anjara amin’ireo fanadinam-panjakana ireo.

Roa volana fahatelo : fanomanana

Ankoatra ny fanomanana ny antontan-taratasy dia mbola fotoana lehibe entina hanomanana ny fanadinana ihany koa ny roa volana fahatelo. Ivon’ny fampianarana rahateo io fotoana io ka ao anatin’izany ny fanatsarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra. « Fotoana entina hamitana ny fandaharam-pianarana io fotoana io mba hahafahana manana fotoana betsaka hanaovana ny famerenana sy ny fanamafisam-pahaizana », hoy ny Filohan’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, Ramananantony Lalaina. Ankoatra izay dia himasoana ihany koa ny fiatrehana ny fanadinana andrana marobe.

Lire la suite

Articles Similaires