• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Univers Pharmacie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fivalanana : Ireo fikafika mampitony azy vonjimaika

24/03/2025 09:20 © Moov

Aretina mahafaty ny fivalanana raha tsy voatsabo haingana, na ho an'ny zaza na ho an'ny olon-dehibe. Very rano be mantsy ilay marary ka mihakely aina ao anatin'ny fotoana fohy. Noho izany, tsara raha manantona dokotera raha malemy loatra na toy ny rano ny diky, indroa na in-telo ao anatin'ny tapak'andro.

Ny fivalanana dia ateraky ny sakafo na rano misy mikraoba tafiditra ny vatana. Tsy tokony hiandry 24 na 48 ora ny olona tratry ny aretim-pivalanana vao ho taitra. Raha matetika ny fivalanana anatina ora vitsy, ilaina ny manantona mpitsabo farak'izay haingana na dia mbola mahatsiaro matanjaka tsara aza. Tsy maintsy manantona dokotera ihany koa raha nisy ra ny diky. Mandra-pahatonga any amin'ny dokotera nefa, ireto misy torohevitra vitsivitsy mety mahasoa.

Ranom-boasary makirana (voany)

Tsy "jus de citron" no ilaina fa ny rano avy amin'ny voany. Alaina avokoa ireo voan'ny voasary makirana ka ampangotrahina anaty rano fahefan'ny litatra, mandritra ny 10 minitra. Rehefa mangatsiatsiaka vao sotroina. Tsy asiana siramamy.
Tsara ny manamarika fa iray sotro lehibe isan'ora ihany no sotroina, mandra-pahazo fanafody. Mampitombo ny hery fiarovan'ny vatana no sady mitsabo ny aretim-pivalanana io rano natoraly io.

Sokola sy akondro ary Mofo dopaina

Raha mahatsiaro fanimpanina sady noana, azo atao tsara ny mihinana fangaro mampatanjaka. Afangaro ny sokola, akondro, sy mofo dipaina, ka sady mampody aina izany no mampihena ny fivalanana.
Afangaro amin'ny mixeur ny mofo dipaina tapany, ny akondro masaka iray ary ny sokola mainty 25 grama. Mihinana iray sotro lehibe, indroa isan'andro. Mampiverina ny fahazotoan-komana ihany koa io fangaro io.

Torohevitra fanampiny

Mila misotro rano be (tsy dite na ranomboankazo) ny olona tratry ny aretim-pivalanana. Mila soloina mantsy ny rano very ao amin'ny vatana mba tsy ho reraka be sy ho very lanja. Tsara raha sakafo ara-pahasalamana sy mora levonina no hanina. Fadiana mihitsy ny kiendiendy sy ny sakafo vita amin'ny atody na misy vokatra simika, na dia te hihinana sakafo matsiro aza.
Raha noho ny fanapoizinana ara-tsakafo ny aretim-pivalanana, mila manokana fotoana ikarakarana sakafo hanina, na ny vary sy laoka na ny ody ambavafo. Ilaina ihany koa ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, indrindra ny voankazo sy legioma.

Lire la suite

Articles Similaires