• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Femmes M
Image
Fahalalana Ankapobeny

Vehivavy miaratra tarehy : tsy misy atahorana ve ?

08/04/2025 15:25 © Moov.Mg

Mihamaro ny vehivavy misafidy miaratra tarehy mba hanana hodi-tava malama sy tsy hisy volo manelingelina, toy ny volom-bava, volo amin’ny takolaka, volomaso matevina loatra… Fa inona tokoa àry ny mety ho fiantraikan’izany fiaratana volon’ny tarehy izany eo amin’ny hodi-tavan’ny vehivavy? ‘Ndeha ho resahana eto ireo « risques » sy ireo fihevitra diso mikasik’izany.

Vehivavy miaratra tarehy : mety hamparefo ny hodi-tava

Araka ny nambaran’ny mpitsabo manokana ny hoditra tao anatin’ny fanadihadihana iray dia tsy misy atahorana be loatra eo amin’ny hodi-tavan’ny vehivavy ny fiaratana tarehy raha atao tsindraindray. Mila mitandrina tsara kosa nefa rehefa miharatra ny tarehy satria mety handratra izany, indrindra raha maranitra loatra ny hareza. Io ratra io no mety hampisy « infection » ka mahatonga « folliculites », izany hoe « boutons » mitovy amin’ny mony. Ankoatra izay dia mety hampisy « risques » hahavoa aretin’ny hoditra toy ny « eczéma », « rosacée »… satria voakaokan’ilay hareza ny « couche superficielle » ny hodi-tava ka lasa marefo.

Tsy lasa matevina ny volon’ny tarehy rehefa noaratana

Anisan’ny zavatra faheno ny hoe lasa matevina ny volon’ny tarehy rehefa haratana matetika. Araky ny nambaran’ny « dermatologue » nefa dia fihevitra diso ihany izany. Raha ny tena marina dia tsy mandrisika ny faniry sy ny hatevin’ny volo ny fiaratana izany. Ilay izy tapaka fa tsy niala amin’ny fotony no manome fahatsapana hoe lasa mafy ilay volo. Izay ihany koa no mahatonga ireo volo ireo rehefa tsapaina dia lasa toy ny manindrotsindrona. Noho izany, rehefa miala ilay volo noaratana dia miova ho volo hafa mitovy endrika sy hatevina aminy ihany.

Mora karakaraina kokoa ve ny hodi-tava noaratana ?

Anisan’ireo antony mahatonga ny vehivavy sasany miaratra tarehy dia ny mba hanamorana ny fikarakarana azy io amin’ny andavanandro. Izany hoe mora kokoa ny manosotra ny « produits » ampiasaina hikolokoloana ny tarehy ary miditra kokoa ao amin’ny hoditra izy ireny rehefa tsy misy volo manakatsakana. Tsy mandrisika loatra izany nefa ny « dermatologue » satria ireo « produits » fikarakarana tarehy dia natao ho ahosotra eo amin’ny hodi-tava salama sy tsy misy ratra kely vokatry ny fiaratana. Nazavainy ihany koa fa ireo « produits » ireo dia misy singa atao hoe « conservateurs » izay natao hifampikasoka amin’ny hoditra ivelany (épiderme) fa tsy ny hoditra anatiny (derme).

Lire la suite

Articles Similaires