Sakafo maraina : sakafo mamy sa masira no tsara hoanina ?
Tsy mbola misy hatreto ny vokam-pikarohana manambara mazava hoe sakafo mamy na sakafo masira no tsara hoanina rehefa maraina. Samy manana ny vokatsoa sy ny mety ho vokadratsiny ireo safidy roa ireo. Miankina amin’ny zavatra tiana, ny filàn’ny vatana ary ny tanjon’ny tsirairay ny fisafidianana na sakafo mamy na sakafo masira no hoanina amin’ny maraina.
Ireo antony tsara hinanana sakafo masira amin’ny maraina
Anisan’ireo antony mahatsara ny fihinanana sakafo masira rehefa maraina ny :
-Fahatsapana voky mandritra ny fotoana maharitra kokoa. Ny sakafo masira, manankarena proteina sy tavy, matetika dia mahavoky ela kokoa raha oharina amin’ny sakafo mamy. Manampy hisorohana ny tia tsakotsako eo anelanelan’ny sakafo izany.
-Tsy miovaova ny herin’ny vatana. Ny proteina sy ny tavy dia mandanjalanja ny famokaranan’ny vatana ny hery mandritra ny maraina. Ny siramamy kosa nefa mampiakatra be hery sy mampidina izany tampoka.
-Mitondra otrikaina betsaka. Ny sakafo maraina matsiro dia mora mitondra otrikaina kokoa eo amin’ny vatana, toy ny proteina, mineraly, tavy mahasoa…
Ireo antony mahatsara ny sakafo mamy amin’ny maraina
Ny fihinanana sakafo mamy mandritra ny sakafo maraina dia :
-Mitondra hery malaky eo amin’ny vatana. Ny « glucides » ao anatin’ny sakafo mamy dia voavadika haingana ho lasa « glucose » izay mitondra tanjaka malaky entina hiatrehana ny tontolo andro.
-Mitondra tsy mahafa-po. Eo amin’ny olona maro, ny sakafo maraina mamy dia matsiro sy mahafinaritra kokoa ny mihinana azy. Isan’ireo antony mandrisik’azy ireny tsy handingana sakafo maraina, izay sakafo tena ilain’ny vatana, izany.
-Mitondra fibra sy vitamina rehefa voafidy tsara. Misy amin’ireo karazana sakafo maraina mamy no mety manankarena fibre, toy ny voankazo sy ny « flocons d’avoine ». Mety mitondra vitamina maro ihany koa ny voankazo.
Fehiny
Raha fintinina dia hevirana ho mahavoky, mandanjalanja ny famokarana hery ary mitondra otrikaina kokoa ny sakafo maraina masira. Etsy andanininy, ny sakafo maraina mamy dia azo ekena raha ahitana sakafo tsy voahodina, manankarena fibra sy otrikaina ary hoanina amin’ny antonony mba tsy hampiakatra be tampoka ny tahan’ny siramamy anaty rà.
Ny tena tsara dia henoina tsara ny filàn’ny vatana ary sakafo maraina voalanjalanja sy ara-pahasalamana no hoanina. Ilaina ihany koa ny manovaova ny karazan-tsakafo hoanina mba tsy ho mora leo sy malaina hisakafo maraina.