image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Bjr, tsy aiko rh efa nis tato ity lohahevitra ity fa mba liana fontsina izaho,Mba tantarao oe izay efa nanao SN, dia rh mbol asian an ireny ve amizao fotoan dia mbol mety,rh ny fahallako dia oe tsy afak manohy fianaran eny @ ambaratonga ambon rh tsy mahavita SN, marina ve ?


ie, t@ andronay, tsy tafiditra t@ université ra tsy mavita SN,t@ zany ko tsy nisy afa-tsy ny université de madagascar irey, ny taux de réussite t@ bacc t@ zany zara ra nisy 6 ŕ 10%, anisan'ny fitaovana namotehana ny tanora ny SN satria t@ zany herintaona tsy mianatra fa manao formation militaire 3 mois, de miasa (mampianatra ny illetré, na any @ CEG, na miasa any @ bureau administratif..) de harefesina ny saina e, refa tafiditra @ université @ zay aveo, ra 2000 ny isan'ny 1čre année, zara ra misy 200 no mi passer 2čme année. Simba mitsy ny tanora ra mbola nitohy io, t@ 2čme république manko no tena nisy an'io, fa vô nanomboka niha rava io 2čme république io d io SN io no nofoanan'ny mpitondra voalohany vô tafakatra teo ry Razanamasy


Za koa nanao SN tamin'ny 1987 fa tsy hitako mihintsy izay naharatsy ny SN. Nanova ahy tanteraka aza satria izaho dia olona tena farak'izay sarokenatra taloha, sady tsy sahy miseho vahoaka izany. Fa nony tao @ SN za dia niova tanteraka, ary ilay nandeha nipetr-drery tany @ ilay toerana nanaovana service aza dia nanova ahy satria lasamahavita tena aho . Izahay nanana mpanampy an-trano foana taloha. Niditra teny Ankatso aho t@ 1988, dia taty aoriana dia nahavita fianarana tsara, ary lasa lavitra noho ireo namako aza.Fehiny: tsy sakana ho an'ny fahavitana fianarana ny SN tamin'izany. Raha tsy nanao SN aza angamba tsy nanana ilay fahamatorana nentina nianatra


za koa SN 1988 ,nianatra tany Tana dia nalefan-dry zareo na nao SN tany Hell-ville ; mafy ilay niala tao an-tranon'ny ray aman-dreny fa nony a zatra avy eo; nampianatra olona namaky teny sy nanoratra ka fito ry zareo tamin'ny voalohany dia tsy nisy tonga intsony enimbolana taty aoriana ;lasa nandehandeha tany Diégo,Sambava, Antalaha ..izaho koa tsy mba mpandeha tapany avaratra tamin'izany fa zatra Tamatave, Foulpointe, Mahanoro... Faly ery nahita tany !nisy vazaha nanao vacances niaraka nizara taxi tamiko tany Fascčne dia niresaka dia niresaka ... nivady izahay roa taona taty aorina ,mananjanaka 20taona izahay izao ! raha tsy nanao SN tany aho tsy nifankahita tamin'ny vadiko ! mba tsetsatsetsa tsy aritra iny fa sao misy masiaka eo indray an!!tadidiko ireo hira miaramila , avy eo manao jery atrika hihi


bjr dol, mis endrin tsara ihany zany SN fa tsy voatery lafin ratsin ?, dia rh mbol mis ve @ zao dia mety mbol mety,nampianatra ny illitré mou zany no tena natao, sa manao zavtr haf mihintsy, dia le izy ve tamin zany zay afak bac rht no tsy maintsy manao sa ze mbol te hanoy fianarana, liana ny tantar fa mba zarao o, Misaotra eh


Isan'ny nanao SN classe 1987/1 nahazoana fahatsiarovana nahafinaritra ary fotoana iray namolavola ny toe-tsain'ny tanora.Nahafahana ihany koa nanome izay kely vita ho an'ny firenena.Izaho manokana tsy nahatsapa hoe nanimba ahy ny fanaovana SN ny mifanohitra amin'izany aza no hitako.Rehefa mahita ireo tanora amin'izao fotoana aho (na ny zanako ihany aza) dia miheritreritra hoe tokony haverina ireny zavatra ireny mba hanefena indray ny toe-tsain'izy ireo amin'ny fitiavan-tanindrazana sy ny mba hahatsapany ny maha malagasy azy.


Misy lafy ratsiny sy lafy tsarany daolo, côté positif : olona nanao SN mahay mihafy, discipliné, manaja hiérarchie...fa côté négatif koa betsaka : hafarefina ny saina tsy mianatra 1 an, de refa tafiditra 1čre année teny ankatso de betsaka no raraka, ankoatr'izay ny sivany t@ examen bacc, t@ reny fotoan'ny SN ireny tena selection be ny nahafahana bacc, tsy mitovy @ zao, tsy haiko na côté positif na négatif fa nandritry ny SN ihanay koa no nahaizana fitiavana voalohany (amour sy sexualité), na lahy na vavy, betsaka ny samy SN no nifankatia, misy koa ny ankizivavy no misipa @ encadreur militaire, ny tany @ toerana nanendrena hiasany moa de tsy hay intsony. Mety ho tsara ihany anefa ra averina @ zao satria ny tanorantsika reto koa hitako fa mila ahitsy satria tsy ampy civisme, tsy ampy fahaiza-miaina, bedebe ny lesoka hany ka hitarika ny firenena any an-kady atsy ho atsy, nefa mila arenina koa ireo côté négative vôlaza eo aloha ireo


tsy tokony ho arafesina ny saina fa maika aza manana maturité fa nomena andraikitra. Zay nanomana concours de mianatra ihany rehefa any antrano. Nanao faradoboka nitovy tamin'ny ankizy hanomana bac mihitsy aza satria nanao concours hidirana EN3.Nilay ny ambiance tamin'ny formation an.


SN ? za lu nanao sn fa tsitako oe nis côté négatif tamiko. ilay tsy nianatra 1 an ngamba nefa fier koa aho satria afaka nanompo firenena sy nitondra ny contribution keliko oan tanindrazana t@ alalan fampianarana t@ CEG. Manana fiainana milamina aho ankehitriny, voninahitra ho an'ny Tompo Jesoa. En fait, ny toe-tsaina iany no mitondra an'io ngamba @le oe manimba na tsy manimba. Fa izay tia revy alu d possible manimba fiainany @ SN noho izy libre be tampoka, na tsy eo anilan'ny RReny noho ny service d manararaotra. nefa n hoaviny iany no tonga tsy lavorary @zany. fehiny : amiko tsara ny fiverenan'ny SN mba ampandraisana andraikitra ny tanora, fa tsy atao obligatoire toy ny taloha kosa fa au choix. Ary asehon fanjakana ny soa azon'izay manao sn par rapport @zay tsy manao. tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny.


Za koa dia nisafidy ny nanao SN farany. NY antony: tsy mbola sure t@ filiere hidirako aorian'ny bacc. Sady nanana namana le tsy maintsy nanao SN satria efa feno taona. Fa tsy hitako izay naharatsy azy. Gaté pourri za teo @ RAR, fa ny SN no nanitsy ny fiainako. Nahatsapako ny maha privilegié ahy ka nahaizako nandanjalanja ny fiainako apres... Nanohy fianarana tsara aho avy eo tsy nisy problčme fa ny traikefa avy @ SN kosa dia nentina nandra-paha lehibe... Vita teo ny fiaingitraingetana @ zavatra rehetra atao....