image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Mankasitraka anareo izay namaly! :)Rahy eny @ By Pass akaikin'io stationnement vao hamboarina io no hanorina trano dia aiza no tsara mividy matériaux?Tsy maintsy hatao ve ilay lava-drano raha toa tsy misy rano?


Mety tsy dia tena hahavaly ny fanontanianao ireto teneniko ireto fa mety mba hanampy anao kely fotsiny :- Fototra : Vato (moellons), vatokely (gravillons), Fasika, Ciment (ny anay HOLCIM) avokoa no nampiasaina.- Rindrina: Biriky, tany mena (hanaovana rihatra, Fer, Ciment, Fasika, ...- Plafond: ny anay tsy natao gorodona fa béton (Hazo (bois rond sy hazo fisaka,fasika, ciment, fer, vatokely, ...)- Tafo : Hazo,Galva 0.45 (mbola misy matevitevina kokoa no io fa io aloha no hitanay fa nety satria efa hita ihany hoe matevina)FANAMARIHANA :1- fa ny anay dia izahay avokoa no nividy ireo fitaovana ireo fa tsy niantehitra tamin'ny mpanao trano, noho izany dia izay tsara sy mafy no mateza na dia somary lafo aza no natao.2- Rehefa mividy ny fitaovana (matériaux) dia aleo eny akaikin'ny toerana hanorenana trano ihany satria tsy dia mifanalavitra firy ny elanelan'ny vidin'entana (miala amin'ny embouteillage dia mba mi-gagné fotoana, tsy tratran'ny stress, ...)3- Ny tsara raha mety dia asiana mpiandry tanŕna ihany fa mandreraka ilay hala-botry.4- Raha toerana tsy misy rano dia ny lava-drano no atao laharam-pahamehana indrindra dia hidio tsara fotsiny rehefa tsy mampiasa.Izay angamba aloha no azoko hanampiana anao fa raha misy fanontaniana ka mety ho voavaliko dia ho valiako ! Mahavitŕ soa fa tena tsy moramora ilay manao trano !


Materiaux eo ihany satria hita eny amin'ny mpivarotra rehetra. Ny qualite dia ianao ihany dia efa mahita rehefa hividy hoe ty azo ihafiana kokoa, na hoe ty tena tsara,...Ny tena mila hanana notion dia ny resaka dosage. Raha diso faible ny dosage dia ratsy. Raha diso mihoatra dia ratsy ihany koa no sady ho lany vola ianaoEfa misy ny internet dia afaka mijery ianao momba na theme iray dia hitanao daholo ny zavatra rehetra. Izay misy any an-dafy dia efa misy aty Madagasikara daholoMirary soa


Mankasitraka anareo izay namaly! :)Rahy eny @ By Pass akaikin'io stationnement vao hamboarina io no hanorina trano dia aiza no tsara mividy matériaux?Tsy maintsy hatao ve ilay lava-drano raha toa tsy misy rano?


Manamora ny asan'ny mpanao trano ny fanŕnana lava-drano, tsy mandany fotoana azy hoe mbola hatsaka atsy sy ary indray, sy mba tsy hianteherana aman'olona ihany koa. Mety hanampy anareo any aoriana ko ny lava-drano, raha toa ka mbola tsy tafiditra ny rano.Ankoatra ireo efa voalaza ireo, tsara ny manana fournisseur matériaux fixe, rehefa mandeha ny asa dia fantatrao hoe itsy na itsy no tsara entana, dia mba mi commande @ tél fotsiny hoe mila vato, fasika, biriky fotsiny sisa... tsy eny @ partie iny aho no nanao trano dia tena tsy fantatro izay toerana ahafahana mividy eny fa anotanio izay olona manodidina eny, mbola eo am-panaovana trano.Ny torohevitra koa, aleo izao vao manomboka izao dia manao fangatahana jiro sy rano @ Jirama, amin'izay mba tonga dia mivantana trano efa misy jiro sy rano rehefa vita tanteraka, moa izao ko no mbola misimisy ny vola, fa raha le efa eo am-panaovana finition iny, ialan'ny saram-papidirana jiro sy rano, indrindra raha mbola tarihina lavitra, tena henjakenjana ihany. Mavitŕ soa


Misaotra betsaka @ lay torohevitra e!Raha ny tena marina mbola eo amin'ny phase fandrafetana plan ny tena... Saingy efa mandefa saina alavitra hoe ahoana sy ahoana marina moa izany no tena fandehan'izy ity sao dia eo vao surprise avokoa ny zavatra rehetra.Raisina avokoa izay voalaza dia mbola hiverina eto ihany aho fa sur fa tsy maintsy mbola hisy ny fanontaniana.Misaotra @ firariantsoa hahavita trano dia mirary soa anareo rehetra koa :)