Mamaly tolotr’asa eto Madagasikara : ireo fahadisoana mila tandremana
Dingana iray lalovana rehefa mitady asa ny famaliana tolotr’asa. Maro ireo manatanteraka izany no tsy mahazo valiny avy amin’ny mpampiasa noho ireo pitsopitson-javatra tsy voatandrina nefa dia hitan’ireo orinasa. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo fahadisoana mila tandremana rehefa mamaly tolotr’asa eto Madagasikara.
Mandefa CV feno loatra na mikorontana
Ny CV feno loatra na koa mikorontana dia tsy manintona ny mpampiasa. Maharay sy mamaky fangatahan’asa maro tokoa mantsy ireto farany isaky ny tolotr’asa. Raha toa ka tsy mazava tsara na raha lava loatra ny CV alefa amin’izy ireo dia mety tsy hazoto hamaky sy hamakafaka izany izy. Ny tsara noho izany dia fanazavana fohy sy mafonja ny traikefa sy ny fianarana nodiavina no atao ao. Tsy adinoina ny manisy lohateny manintona.
Atao mitovy avokoa ny fangatahan’asa alefa amin’ny orinasa samihafa
Fahadisoana iray be mpanao ary tena tsy mandaitra ny fandefasana fangatahan’asa mitovy amin’ny orinasa samihafa. Mampiseho ny tsy fahampiana fanoloran-tena amin’ilay tolotr’asa ny fanaovana izany. Ny mpampiasa tsirairay dia te hahatsapa sy hahita fa tena naka fotoana nandinihana tsara ilay tolotr’asa ilay mpitady asa. Mila atao mifanaraka tsara amin’ireo fahaiza-manao sy « profil » voalazan’ny tolotr’asa tsirairay arak’izany ny fangatahana atao.
Tsy mamaky tsara ny antontan-taratasy alefa
Fahadisoana tsipelina, fitsipi-pitenenana sy ny diso « frappe » dia mandoto rano ny fangatahana asa alefa any amin’ny mpampiasa. Raisin’ireto farany ho tsy ampy ny maha matihanina sy ny fahamatorana ka mampidina ny « chances » hahavoaray amin’ilay asa. Noho izany, tsy mahazo maimaika rehefa mamaly tolotr’asa fa mila vakiana tsara daholo ireo antontan-taratasy izay vao alefa.
Tsy miomana tsara amin’ny « entretien »
Dingana iray lehibe eo amin’ny fangatahana asa ny « entretien ». Rehefa nahaliana ny mpampiasa ny CV sy ny LM nalefa dia miantso izy ireo. Fahadisoana iray mila tandremana ny tsy fiomanana tsara amin’ny « entretien ». Alohan’ny hanaovana azy io dia mila manao fikarohana tsara mikasika ilay orinasa sy ny vokatra amidiny. Ankoatra izay dia mila averina vakiana tsara ny votoaton’ilay asa ao anatin’ny tolotr’asa ary miezaka mampifandray izany amin’ny traikefa hananana. Izany hoe efa miomana amin’ny valinteny mazava rehetra mety hamaliana ireo fanontaniana mety ho apetraky ny mpampiasa.