« Stress chronique » : ireo mety ho fiantraikany ara-batana
Tsy fahatsapana adin-tsaina sy tebiteby fotsiny ihany ny « stress » na ny rarintsaina. Rehefa lasa mitaiza, izany hoe maharitra sy mihamafy, izy io dia mety ho lasa vesatra ara-batana misoko miadana. Mety mahatonga harerahana lava izay manakorontana ny hormonina ary mampitombo ny « inflammation » ny « stress chronique ». ‘Ndeha ho fantarina ary ny santionany amin’ireo mety ho fiantraikan’ity farany eo amin’ny vatana.
« Stress chronique » : mampatavy
Isan’ny antony iray mampatavy, ary indrindra mahabe kibo, ny rarintsaina mitaiza na ny « stress chronique ». Avy amin’ny « cortisol », matetika antsoina hoe « hormone du stress », moa no mahatonga izany. Mamokatra « cortisol » tsy mitsahatra ny vatana raha misy rarintsaina mitaiza ny olona iray. Io hormonina io nefa dia miasa amin’ny fanetsehana ny angovon’ny vatana ary mampitombo ny tahan’ny siramamy (glucose) anaty rà.
Rehefa ambony foana ny « glucose », ary miampy « résistance à l’insuline » vokatry ny « cortisol », dia lasa miangona ny tavy ao amin’ny vatana, indrindra ireo manodidina ny kibo na ny atao hoe « graisse viscérale ».
Ankoatra izay ny « stress chronique » dia mampisy fahazaran-dratsy, toy ny fitiavana misakafo antenatenam-potoana, fihinana sakafo mamy sy matavy, tsy fanetsiketseham-batana… Ireo fahazarana ireo dia vao maika mampatavy.
Fikorontanan’ny fandevonan-kanina
Ny tsinay sy atidoha dia mifandray akaiky amin’ny alalan’ny « axe intestin-cerveau ». Rehefa tratry ny rarintsaina ny olona iray dia lasa mikorontana ny fandevonan-kaniny. Ny « adrénaline » sy ny « cortisol » vokarin’ny vatana vokatry ny « stress chronique » dia mampiodina ny lalan’ny rà tokony ho an’ny amin’ny taova fandevonan-kanina ho lasa any amin’ny hozatra. Izany dia lasa mampiadana ny fizotry ny fandevonan-kanina ary mampihena ny famokarana « enzymes » izay mety :
-Mampitohana na mampivalana (miankina amin’ny tsirairay) ;
-Mampangotika sy mankarary kibo ;
-Mamparefo ny « barrière » ny tsinay ka mahatonga ity farany mety hidiran’ny mikraoba na otrikaretina ;
-Mahatonga aretin’ny taova fandevonan-kanina, toy ny « gastrites », « ulcères gastroduodénaux »…
Olana eo amin’ny hoditra
Ny hoditra matetika dia fitaratry ny toe-pahasalamana. Ny « inflammation chronique » ateraky ny rarintsaina dia mamparefo ny « barrière cutanée » sy ny hery fiarovana. Izany dia mety handrisika na hampihombo ny aretin-koditra toy ny, « eczéma », « psoriasis », « urticaire »…
Ankoatra izay dia mety mampihitsam-bolo ihany koa ny rarintsaina maharitra. Ny fiovaovan’ny hormonina dia mety mandrisika ny famokarana « sébum » eo amin’ny hoditra ary mampirongatra ny mony.



