Fahavaratra : mitondra vokatsoa maro ny dite sakamalaho sy veromanitra
Amin’izao fiantombohan’ny volana janoary izao dia mitaky zavatra manamaivamaivana azy ny vatantsika hiatrehana ny andro mafana sy ny havizanana vita fety. Manampy betsaka amin’ny fanomezana hery sy fanadiovana ny ao anaty ny fisotroana dite sakamalaho sy veromanitra. Araho ny andinindininy mikasik’izany.
Ireo vokatsoa azo avy amin’ny dite sakamalaho sy veromanitra
Ny fanambarana ny sakamaloho sy ny veromanitra atao dite dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana :
-Manamaivana ny fandevonan-kanina. Rehefa avy nihinana sakafo matavy betsaka isika nandritra ny fety dia manampy amin’ny fandrisihana ireo « enzymes digestives » ny sakamalaho. Manampy amin’ny fampihenana ny « ballonnements » sy ny fahatsapana vizaka rehefa avy misakafo izy io.
-Miaro amin’ireo aretina mpiseho rehefa fahavaratra. Maro ireo viriosy kely sy ny « coups de froid » ateraky ny orana. Ny sakamalaho dia manana fiasa « anti-inflammatoire » mahery vaika, ary ny veromanitra kosa dia manana fiasa « antiseptiques » izay manampy amin’ny fanadiovana ny taovam-pandevonan-kanina sy ny taovam-pisefoana.
-Mitondra « hydratation revitalisante ». Ny veromanitra dia miasa toy ny « sédatif » malefaka ho an’ny atidoha, sady manampy amin’ny fandrindrana ny hafanan’ny vatana. Ny fisotroana ity dite ity dia sady manome rano ny vatana no manome tanjaka azy.
Ny fomba fikarakarana sy fisotroana azy
Tsotra ny fomba fikarakarana ny dite sakamalaho sy veromanitra. Ampangotrahana ny rano 1 litatra. Arotsaka ao ny tahona veromanitra 2 notapatapahana. Arotsaka ao manarak’izay ny sakamalaho 30g voasasa sy voakiky (tsy novoasana). Saromana ny vilany ary avela hitanika mandritra ny 5 minitra. Bataina teo ambony afo ary avela hipetraka 10 minitra. Tatavanina. Rehefa alohan’ny hisotro azy dia asiana tantely kely sy silaka voasary makirana kely. Misotro 1 kaopy rehefa 20 minitra alohan’ny hisakafoanana mba hanomanana ny vavony.


