Volana janoary : torohevitra manampy hitantanana ny vola am-pelatanana
Ny volana janoary no heverina ho « volana lava indrindra ao anatin’ny taona ». Matetika tokoa mantsy dia voakitika tamin’ny fividianana fanomezana krismasy sy nanaovana fetin’ny faran’ny taona ny vola tokony hiatrehana io volana io. Ahoana àry ny fomba hitantanana ny vola am-pelatanana mandritra ny volana janoary ?
Fitantanana ny vola mandritra ny volana janoary : fantarina ny tetibola sy ny fandaniana
Ny dingana voalohany atao hitantanana tsara ny vola mandritra ny volana janoary dia ny famaritana ny vola am-pelatanana. Ho an’ireo mikarama isam-bolana moa matetika dia ny karama volana desambra no nanesorana ny vola fety sy hisahana ny fandaniana mandritra ny janoary. Rehefa voafaritra ny ambim-bola dia faritana ny fandaniana rehetra tsy azo iodivirana mandritra ny volana : hofan-trano, saram-pianaran’ny ankizy, saran-dalana, sakafo. Avela aloha ireo fandaniana hafa tsy tena ilaina.
Sakafo mora vidy sy vita ao an-trano no hoanina
Mba hampihenana ny fandaniana ara-bola mandritra ny volana janoary dia ezahana atao tsotsotra ny sakafo hoanina. Maro ireo karazana nahandro matsiro, tsy be masonkarena sy mahasalamana azo karakaraina. Anisan’izany ohatra ny vary amin’ananana, ny voamaina tsy asiana hena, ny atody, ny ron’ovy sy patsa, ny totom-boanjo… Tsy voatery asiana hena ny sakafo isan’andro, sady mampitsitsy no mahasalama izany. Eny an-tsenam-pokontany no miantsena fa tsy mandeha tranombarotra lehibe. Mandeha mpamongady rehefa mividy savony, menaka, siramamy, vary…
Ahena arak’izay azo atao ny fandaniana amin’ny resaka fitaterana
Isan’ireo fandaniana mavesatra amin’ny andavanandro ny vola lany amin’ny fitaterana. Raha azo atao dia hahena ny fifezivezena lavitra tsy vita dia tongotra, mandeha tongotra amin’ny dia akaiky, mandeha fitateram-bahoaka fa tsy mitondra fiara na kodiaran-droa rehefa mandeha miasa na manatitra mpianatra… Misy lanjany tokoa ny fitsitsiana vita amin’izany na dia 500 ariary sy 1000 ariary isan’andro àry.
Ferana ny fandaniana ara-tsosialy
Rehefa volana janoary toy izao dia fomba fanaontsika Malagasy ny mifanasa sy mivorivory manao fifampiharabana tratry ny taona. Raha hita fa manify ny vola am-pelatanana dia ezahana ferana arak’izay azo atao ny fandehanana amin’ireo fivoriana ireny, indrindra ireo amin’ny toerana lavitra sy mitaky fandaniana mavesatra. Rehefa afaka ity volana ity ka mba efa malalaka ny vola am-pelatanana dia azo atao ny mamangy miarahaba tratry ny taona ireo havana na ray aman-dreny lehibe. Tsy tokony hanamelo-tena na ho menatra raha tsy mamonjy ireny fivoriana ireny satria manampy amin’ny fisorohana ny tsy fisiana sy fitrosana ny fanaovana izany.


