• Cours de change
  • 5279.04 AR
  • |
  • $4552.81 AR
Copyright Image : © Ares
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « salade de brocolis »

12/01/2026 16:43 © Moov.Mg

Rehefa vita fety toy izao dia maro amintsika no mikaroka nahandro maivamaivana sy be otrikaina. Sady manampy amin’ny fanamaivanana ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina moa izany no manampy amin’ny fikoloana ny fahasalamana. Anisan’ny nahandro maivana tsara hoanina ary ny « salade de brocolis ». Tsotra ny fikarakarana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « salade de brocolis »

-Brocolis 1 ;
-Voatabia 2 ;
-Tongolo 1 ;
-Atody nandrahoina anaty rano (œuf dur) 2 ;
-Fromazy 50g ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Ranona voasary makirana 1 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny brocolis avy eo tetehana kely.
Andrahoina mandritra ny 3 na 4 minitra ao anaty rano mangotraka nasiana sira.
Rehefa vita izay dia atsoboka anaty rano mangatsiaka ireo brocolis mba hitazona ny lokony maitso. Avela hangatsiaka.
Sasana ary tetehana ny voatabia. Tetahana manify ihany koa ny tongolo. Afangaro anaty saladier lehibe iray miaraka amin’ny brocolis.
Karakaraina ny saosy. Afangaro anaty lovia jobo kely ny menaka, ranona voasary makirana ary ny sira sy dipoavatra. Aroharoana hifangaro tsara.
Tetehana ny œufs durs, kikisana ny fromazy. Arotsaka miaraka ao anatin’ny saladier misy ny brocolis. Alefa ao ihany koa ny saosy dia afangaro moramora.

Lire la suite

Articles Similaires