Fiarovana ao an-trano : fisorohana ny loza mpiseho amin’ny ankizy madinika
Ny ao an-trano no isan’ny toerana azo antoka indrindra ho an’ny ankizy madinika, nefa mety isehoan’ny loza ihany koa raha tsy ampy fahamalinana isika ray aman-dreny. Rehefa eo anelanelan’ny 0 ka hatramin’ny 4 taona ny zaza, dia te hahafantatra ny zavatra rehetra sady efa mahay mihetsika (mandady, mandeha, mianika), ka izany no mampitombo ny « risques ». Ireto manaraka ireto ary misy torolalana ho an’ny efitrano tsirairay hisorohana ny loza mpiseho amin’ny ankizy madinika.
Ny lakozia : Faritra tena mila fitandremana ao an-trano
Ny lakozia no efitra ao an-trano mampidi-doza indrindra satria ao no misy fitaovana mety handoro sy handratra. Mba hisorohana ny loza mpiseho amin’ny ankizy madinika ao an-dakozia dia mila :
-Tsy atao mora takatry ny ankizy madinika ny toerana misy fatana, na fatapera, fatana gaz, fatana mandeha amin’ny herinaratra… ;
-Ampirimina tsara tsy ho mora azon’izy ireny ny fitaovana maranitra, toy ny antsy, sorotro rovitra… Ny fitaovana toy ny « mixeur » dia atao avo toerana ary tsy avela hitsatoka amin’ny « prise » rehefa tsy ampiasaina ;
-Raha mampiasa « gaz » dia hidiana anaty « placard » ny « bouteille » fa tsy atao ivelany ;
-Ampirimina amin’ny fitoerana tsy hitan’izy ireny ny « produits ménagers », toy ny ranon-tsavony fanasana lovia…
Ny efitrano fandraisam-bahiny
Ao amin’io efitra io matetika no mianjera na voadona ny ankizy madinika. Mba ho fiarovana ireto farany ary dia :
-Asiana fingotra fiarovana (protège-coins) ny sisin’ny latabatra ambany sy ireo fanaka ambany rehetra ;
-Araikitra tsara amin’ny rindrina ireo fanaka mavesatra toy ny « commode », « bahut »… Toy izany ihany koa ny fahitalavitra. Mety hianjera amin’ny zaza tokoa mantsy izy ireny raha sanatria mianikanika eo izy ;
-Mampiasa « cache-prises » manerana ny trano.
Ny tohatra sy ny varavarankely
Rehefa mitaiza ankizy madinika dia mila fahamailoana tsara ny faritra misy tohatra sy varavarankely mba hisorohana ny loza :
-Asiana arofanina eo an-tampony sy eo amin’ny fototry ny tohatra ;
-Fadiana ny manisy fanaka, seza, fandriana eo ambanin’ny varavarankely satria mety ho ataon’ny zaza tohatra hiakarana eo izany. Tsara raha asiana fitaovana manakana ny fisokafany tanteraka na asiana « grille de protection » ny varavarankely.


