• Cours de change
  • 4609.6 AR
  • |
  • $4371.22 AR
Copyright Image : © Sisaony K Park
Image
Madagasikara

Toeram-pitsangatsanganana eto Antananarivo : Sisaony Park Ambatofotsy, RN7

04/01/2023 10:10 © Moov.Mg

Fanirianao ve ny hiala voly kely miaraka amin'ny fianakaviana ? Mamonje toerana mahafinaritra, rivotra madio, misy rano sady ahenoana feom-boronkely.

Sisaony Park Ambatofotsy, 23 km miala an'Antananarivo

Manaraka ny lalam-pirenena fahafito mihazo an'Antsirabe raha toa ka te hitsidika ny Sisaony Park. Rehefa tonga eo amin'ny tetezan'Ambatofotsy ianao, dia mandeha eo ho eo amin'ny iray kilometatra. Raha tsy mitondra fiara ianao dia mandray fiara fitateram-bahoaka eo amin'ny CNAPS Ampefiloha.
_Hitanao eny an-toerana ny rano manjopika, matetika misy lakana mitondra ireo mpiala voly. Toera-maitso misy alokaloka mangatsitsika no mandray anao sy ny ankohonanao. Azo atao tsara ny mitondra sakafo sy zava-pisotro . Misy ny fiantsonana ho an'ny fiara manokana. _
Marihina moa fa rehefa faran'ny herinandro sy andro fety dia matetika misy soavaly, mba ampifaliana ny ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo