Mananjary : Antambahoaka, foko miray hina sy mitahiry Fomba Malagasy
Marobe ireo Fomba Malagasy zary adino na atao tsinontsinona tsotr'izao noho ny rivotry ny fandrosoana. Misy kosa nefa ireo mbola mitazona ireo finoana sy fomban-drazana samihafa, ka anisan'izany ny Antambahoaka, any Mananjary.
Raha vao manonona an'i Mananjary dia ilay Fomba Malagasy antsoina hoe "Sambatra" no mby an-tsaina voalohany. Maro ihany koa ireo avy dia misaina ilay hoe "fady mitaiza zaza kambana".
Mananjary, Tanana mahafinaritra
Any amin'ny faritra Atsimo Atsinanan'i Madagasikara no misy an'i Mananjary, 160 kilometatra miala an'i Manakara. Mbola rafitra tranainy ny ankabeazan'ireo trano miorina ao an-toerana, satria vita amin'ny hazo ary mitafo Ravinala. Na izany aza, noho ny fandrosoana, tsy vitsy ireo trano maoderina efa hita any an-toerana.
Koa satria manintona mpizahatany na miala sasatra maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany ny faritra amoron-dranomasina toa an'i Mananjary, misy ny fampahafantarana ireo Fady amin'ny toerana be mpitsidika. Ny eny amoron-dranomasina ohatra, ao amin'ny Nosy Alagnagna na Plage Ambinany, dia efa misy takelaka lehibe mba hitandreman'ny rehetra. Anisan'ny fepetra tokony arahina ny tsy fanaovana kapa na kiraro eny amin'ny Plage Ambinany. Tsy tokony hihinana kisoa na lambo ihany koa raha mikasa hikasika ny rano. Natao izany mba hitandrovana ny hasin'ny toerana sy hisorohana ny loza mety hitranga. Marobe mantsy ireo toerana efa "nohamasinina" ka itoerana fanahy. Rehefa tezitra ireo fanahy ireo dia misy loza mitranga, toy ny aretina tsy azo sitranina na fahafatesana.
Mananjary, Tananan'ny Antambahoaka
Toerana mahaliana mpikaroka ara-koltoraly maro i Mananjary. Mbola mitahiry Fomba Malagasy maro mantsy ireo Antambahoaka ao an-toerana. Efa miha-maro hatrany ireo avy eto Iarivo sy avy amin'ny faritra hafa no manatrika ny "Sambatra", na dia ny hahafantarana fombafomba tsy fahita firy ihany aza. Tsy voatery miandry vanim-potoana lehibe ihany koa nefa vao misy ritoaly mety mahaliana, satria efa fiainana andavanandro mihitsy ny fanajana fombafomba isan-karazany. Mbola misy Ampanjaka sy Olobe samy manana ny Hasiny avy any an-toerana. Misy moa ny lapa antsoina hoe "Tranobe" izay misy ny Ampanjaka.
Famorana
"Sambatra" na "Sambatse" no fiantsoana ny famorana any Mananjary sy amin'ny toerana manodidina eo : Ankatafana, Tsaravary, Manakana, Ambalaromba, Ambohitsara, Tanandava. Fety goavana misy fombafomba maro izy io, izay isaky ny 7 taona ihany no fanatanterahana azy. Fotoana fifaliana tanteraka io, ka raha sanatria misy maty mandritra ny fankalazana dia alevina aingana sady tsy andatsahan-dranomaso. Tsy maintsy foraina avokoa ireo zazalahikely, mba ho lasa zanaky ny "Tranobe". Misalotra fitafiana nentim-paharazana sy avokoa ireo mpanotrona, na ireo tompon-tany na ireo vahiny. Efa misy ihany koa ny taovolo manokana mifanaraka amin'ny lanonana.