Fikolokoloana sy fiarovana ny hoditra mandritra ny vaninandro ririnina
Mila fikarakarana mandrakariva ny hoditra mba tsy ho mora antitra, ho makiana sy ho simba. Rehefa vaninandro ririnina toy izao dia mila fikolokoloana betsaka kokoa izy io mba hiarovana azy amin’ny vokadratsin’ny hatsiaka. Andeha ary ho fantarina ireo torohevitra manampy mba hikarakarana sy hikoloana ny hoditra rehefa ririnina mba hitazomana azy ho mandina sy malefaka hatrany.
Fikarakarana ny hoditra avy eo ivelany ho fiarovana azy amin’ny hatsiaka
Ny fikarakarana avy any ivelany ny hoditra no fomba iray lehibe hiarovana azy amin’ny vokadratsin’ny hatsiaka. Samy mila koloina avokoa na ny hoditry ny vatana na ny hodi-tava. Ny hodi-tava moa no tena hamafisina eto ny fikarakarana azy noho izy tena hivantanan’ny hatsiaka, ny rivotra sy ny loto samihafa. Anisan’ireo tsara atao rehefa ririnina ary ny :
Manadio tsara ny tarehy. Tandremana mba ho vokatra malefaka na hoe « produits doux » no ampiasaina. Malemy sy mora simba kokoa mantsy ny hodi-tava rehefa ririnina ka tsy mahazaka ireo vokatra fanadiovana fampiasa rehefa mafana ny andro. Azo asolo ny « démaquillants » fampiasa ohatra ny menaka zavamaniry hanadiovana ny tarehy rehefa hariva.
Mamandinina hatrany ny hoditra. Manamaina ny hoditra ny andro sy ny rivotra mangatsiaka. Ilaina arak’izany ny manamandina azy mandrakariva mba hiarovana azy tsy ho makiana sy ho vakivaky. Anisan’ireo vokatra natoraly azo ampiasaina amin’izany ny tantely, ny vahona, ny menaka oliva na ny diloilo coco tsy mitapoka. Misy ihany koa moa mazava ho azy ireo « produits hydratants » natokana manokana hanamandinana ny hoditra rehefa ririnina izay hita eny amin’ny farmasia eny.
Miaro ny hoditra amin’ny taratry ny masoandro. Maro amintsika ny manamaivana ny fiantraikan’ny taratry ny masoandro eo amin’ny hoditra sy ny hodi-tava rehefa ririnina. Na dia tsy mamay be aza nefa izy ireny dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny hoditra foana. Noho izany dia tsy azo adinoina ny manosotra « crème solaire » sy manao satroka rehefa mivoaka ny trano, eny na amin’ny ririnina aza.
Ireo fikarakarana avy ao anatiny hikoloana ny fahasalaman’ny hoditra
Tsy mijanona amin’ireo fikarakarana ivelany ihany ny fikoloana ny fahasalamana sy ny hatsaran’ny hoditra rehefa ririnina. Manan-danja ihany koa ny fikarakarana avy ao anatiny mba hanampy amin’ny fiarovana azy amin’ny vokadratsin’ny hatsiaka. Ilaina arak’izany ny :
Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro. Manampy betsaka amin’ny fanomezana rano sy ny fanamandinana ny hoditra ny fisotroana rano. Rehefa tsy ampy rano ny vatana dia mety ho hita taratra amin’ny endriky ny hoditra sy ny hodi-tava izany. Ankoatra ny rano, dia afaka misotro dite, lasopy… mba hanomezana rano ny vatana.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana. Ny vaninandro ririnina toy izao no fotoana fihinanana « bons acides gras » tsara. Ireo « oméga-3 » ohatra dia tena ilaina mba hisorohana sy hampitoniana ny hoditra mivaramena vokatry ny hatsiaka. Ao anatin’ny trondro matavy sy ny « noix » no tena ahitana azy ireny.