• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Wellpharma
Image
Fahalalana Ankapobeny

Main’ny masoandro : ireo fikafika natoraly manampy hampitony izany

22/07/2025 14:17 © Moov.Mg

Rehefa fialantsasatra lehibe toy izao dia maro ny ankohonana mandeha miala sasatra any amorontsiraka. Mahazana moa dia mafana ny andro eny amoron-dranomasina eny ka maro ireo tratry ny hain’andro be loatra ka mety ho main’ny masoandro ny hoditra. Ireto manaraka ireto ary misy fikafika natoraly hampitoniana ny main’ny masoandro.

Ahoana ny fisehon’ny hoditra main’ny masoandro ?

Maro amintsika tokoa ny main’ny masoandro ny hoditra rehefa eny am-panaovana fialantsasatra eny amorontsiraka eny. Mbola vitsy ny mampiasa ireny « crème solaire » ireny rehefa milalao rano, na ranomasina izany na dobo filomanosana. Amin’ireny fotoana ireny indrindra matetika nefa no tena maha may ny hoditra satria sady tratry satry foana hitanin’andro mba tsy hangatsiaka.
Lasa may ny masoandro ny hoditra, mavaivay, manaintaina rehefa kitihina, mivaramainty na mivaramena, mangidihidy… Rehefa afaka andro vitsy dia lasa miofakofaka na miepakepaka ny hoditra may ka lasa ratsy endrika sy mety manaintaina.
Arak’izany dia ny fiarovana ny hoditra amin’ny alalan’ny « crème solaire », fanaovana akanjo manarona ny sandry, ny fanaovana satroka, tsy fijanonana amin’ny maloka rehefa migaingaina be ny andro… no fomba mahomby hisorohana ny hoditra tsy ho main’ny masoandro. Ho an’ireo tsy nahavatra kosa dia misy ihany ireo fikafika natoraly manampy hampitony ny hoditra main’ny masoandro toy ireto zaraina manaraka ireto.

Vahona : mampitony ny hoditra main’ny masoandro

Ny vahona dia isan’ireo fikafika natoraly manampy hampitoniana ny hoditra main’ny masoandro. Manana fiasa « anti-inflammatoires » sy « hydratantes » moa ity zavamaniry ity ka manampy amin’ny fitsaboana ny hoditra « irritée » sy manafaingana ny fahasitranan’izany.
Tsotra ny fampiasana azy. Maka dintin’ny vahona ary io no ahosotra mivantana eo amin’ny faritra main’ny masoandro. Avela hilona eo mandritra ny 20 minitra dia kobanina. Averina matetika anatin’ny iray andro, indrindra rehefa manomboka tsapa makiana ilay hoditra.
« Yaourt nature » : manampy manasitra ny hoditra main’ny masoandro
Ny « yaourt nature » dia mitahiry « probiotiques » sy « protéines » izay afaka manampy amin’ny fampitoniana sy fanasitranana ny hoditra main’ny masoandro. Ny « texture » mangatsitsiaka sy malefak’izy ity dia manala avy hatrany ny fahatsapana mavaivay eo amin’ny faritra main’ny masoandro.
Osorana « yaourt nature » matevina tsara eo amin’ny hoditra misy main’ny masoandro. Avela hilona mandritra ny 20 minitra. Kobanina amin’ny rano matimaty ary petapetahana moramora amin’ny lamba madio ho maina. Afaka afangaro amin’ny tantely ihany koa ity « yaourt » ity mba hanampy amin’ny fanamandinana ny hoditra.

Lire la suite

Articles Similaires