Volo mora mitera-menaka : inona no vahaolana azo atao ?
Manahirana sy mety mampiferotr’aina tokoa ny mikarakara volo mora mitera-menaka na ny « cheveux gras ». Ny famokaran’ny hodi-doha « sébum » be loatra dia mampavesatra ny volo, manome endrika be menaka sy toy ny efa maloto azy, eny na dia avy nanasa loha vao haingana kely aza. Fa inona tokoa no mahatonga ny volo mora mitera-menaka ? Inona no vahaolana azo atao ?
Ireo antony mahatonga ny volo mora mitera-manaka
Alohan’ny hiresahana ireo vahaolana atao manoloana ny volo mora mitera-menaka dia tsy raha fantarina ireo antony mety mahatonga izany. Toe-javatra voajanahary sy ilain’ny fahasalaman’ny volo sy ny hodi-doha ny famokaran’ity farany « sébum ». Raha toa ka lasa mihoatra loatra nefa io famokarana « sébum » io dia izay no mahatonga ny volo mora mitera-menaka na hoe « gras ». Maro ireo anton-javatra mety mahatonga izany :
-Ny fototarazo. Misy karazan’olona sasany izay efa mamokatra « sébum » betsaka mihintsy ny hodi-dohany. Mety manaranaka moa izany ;
-Fikorontanan’ny hormonina. Ny taonan’ny adolantsento, ny fitondrana vohoka na koa ny fiovaovan’ny hormonina dia mety manakorontana ny famokarana « sébum » ;
-Fahazarana tsy mety eo amin’ny fikarakarana ny volo. Anisan’izany ny fanasana loha matetika loatra, fampiasana vokatra tsy mety na tsy zakan’ny karazam-bolon’ny tena ; fibangoana volo mafy na matetika loatra… izay mety mandrisika ny « glandes sébacées » hamokatra « sébum » be loatra.
Ireo torohevitra natoraly hiadiana amin’ny volo mora mitera-menaka
Ireto manaraka ireto ary misy fikafika natoraly sy mandaitra mba hiadiana amin’ny volo mora mitera-menaka :
« Argile verte »
Ny « argile verte » dia tena mandaitra amin’ny fikarakarana ny volo mora mitera-menaka. Manana fiasa mitroka sy manadio izy io ka mety tsara atao « masque » ho an’ny volo. Afangaro ary ny « argile verte vovony » sy ny rano kely mba hahazoana paty mitambatra tsara. Ahosotra eo amin’ny foton’ny volo sy ny hodi-doha io paty io. Avela hilona 15 minitra alohan’ny hanakobanana azy tsara.
« Vinaigre de cidre »
Ny « vinaigre de cidre » dia manampy amin’ny fandanjalanjana ny « pH » ny hodi-doha sy amin’ny fampihenana ny famokarany « sébum » be loatra. Tsotra ny fampiasana azy. Rehefa manasa loha dia afangaro ny « vinaigre de cidre » 1 sotro fihinanana sy ny rano iray kaopy. Io fangaro io no hanakobanana ny volo farany. Afaka ho azy ny fofona mety somary mahery rehefa maina ny volo.
Karibonetra
Ny karibonetra dia isan’ireo akora manana fiasa manadio sy manala menaka (dégraissante). Afaka manampy hiadiana ny volo mora mitera-menaka izy io. Alohan’ny hanasa loha dia rarahana karibonetra kely eo amin’ny hodi-doha. Somary horina moramora mba hitroka ny « sébum » be loatra miraikitra amin’ny volo sy ny hodi-doha. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ny volo. Atao indray mandeha isan-kerinandro ity torohevitra ity.