« Gourde » : mila fitandremana tsara ny fanadiovana azy ireny
Efa miditra mianatra indray izao ny mpianatra. Anisan’ireo fitaovana fampiasan’izy ireny, indrindra ireo mbola kely, ny « gourde » mba hitondrana ny rano sotroiny mandritra ny tontolo andro. Mila tandremana tsara ny fanadiovana azy ireny satria mora hitoeran’ny bakteria izay mety hankarary ny ankizy raha tsy voadio tsara.
Ireo mety ho fiantraikan’ny « gourde » ratsy dio
Ny ankizy dia mbola tsy mahay mamantatra ny « gourde » ratsy dio. Raha tsy voadio ara-dalana ny « gourde » ampiasainy amin’ny andavanandro dia mety hisy bakteria na « moisissures » ho voasotrony. Rehefa miverimberina foana izany dia mety hisy vokadratsy eo amin’ny fahasalamany, toy ny hoe maloiloy, marary kibo… Rehefa mandeha ny fotoana dia mety hitarika olana eo amin’ny fandevonan-kanina na koa otrikaretina hafa, indrindra eo amin’ireo marefo.
Ireo faritra mora hiangonan’ny bakteria amin’ny « gourde »
Fitaovana tena manampy amin’ny fitondrana rano, indrindra ho an’ny mpianatra, ny « gourde ». Araka ny voalaza teo ambony nefa dia tena mora hiangonan’ny bakteria izy io, indrindra raha tsy voadio ara-dalàna. Ny sarony, ny hidiny, ny « joints en silicone »… no isan’ireo faritra tena mora hiforonana sy hitoeran’ny bakteria, mikraoba, loto… Matetika dia tsy afaky ny fanakobanana amin’ny rano fotsiny ireny loto ireny.
Tsy ampy hanadiovana ny « gourde » ny fanakobanana azy fotsiny
Maro amintsika ray aman-dreny no zatra manakobana fotsiny ny « gourde » ny zanantsika rehefa hanolo ny rano na ny dite ao anatiny. Marihana nefa fa na dia rano fisotro madio fotsiny aza no natao tao anatin’ny « gourde » dia mety efa hampiforona bakteria ao anatin’ity fitaovana ity. Amin’ny voalohany mety tsy ho hita taratra ireo loto miangona fa rehefa afaka andro maromaro dia manomboka mipoitra tsikelikely izy ireny.
Ny fomba fanadiovana ny « gourde » mba hisorohana ny bakteria
Mba hikololoana ny fahadiovan’ny « gourde » sy hisorohana ny fiforonan’ny bakteria ao aminy dia mila fanadiovana lalina sy matetika ity fitaovana ity. Tsara raha manana borosy manokana fanasana azy. Rano mafana sy savony no ampiasaina hanasana azy. Tsy adinoina ny manokatra sy manadio tanteraka ny sarony (bouchons, joints, embouts) isaky ny 2 na 3 andro. Raha misy fofona manelingelina miforona, rehefa avy nitondrana dite na ranom-boankazo, ity fitaovana ity dia afaka asiana karibonetra 1 sotrokely ao anatiny rehefa avy nosasana ary avela hilona mandritra ny alina tontolo alohan’ny hanakobanana azy. Izany dia manala ny fofona ratsy sy ny ambina loto miraikitra ao anatiny.