Dépendance affective : Fiankinana tanteraka amin'ny fijerin'ny hafa
Tena maro tokoa ireo miankina tanteraka amin'ny fijerin'ny hafa mba hitsarany ny tenany. Rehefa dokadokafan'ny manodidina dia miramirana sy mahatsiaro tena ho mahomby, fa raha mahazo tsikera na sendra ny olona tsy tia dia mikorosy fahana ny fiainana.
Ilaina tokoa ny hevitry ny hafa, mba hahafantarana izay tsy hitan'ny tena eo amin'ny fitaratra. Mety manampy ihany koa amin'ny fivoarana izany, indrindra raha fanoroan-dalana na fanitsiana. Rehefa manan-danja loatra nefa ny hevitry ny hafa dia mety hanimba izany.
"Mila 19" hatrany ny olona manao "dépendance affective"
Rehefa tratran'ny "dépendance affective" ny olona iray dia ny fankasitrahan'ny olona azy no "moteur" mamelona azy. Ny fandokafana, ny fankasitrahana sy ny fanamboniana azy izany no "source de motivation". Ny asa, fihetsika, fitafy sy ny fialam-boly rehetra atao izany dia mba hamalifaliana ny hafa avokoa. Mety olona iray na maromaro no ezahina "baboina" amin'izany. Manimba tanteraka nefa izany, satria tsy tompon'ny fanapahan-kevitra ny amin'ny tenany na izay ataony mihitsy ilay olona, sao ho afa-baraka, na tsy ho tian'ny namany intsony. Mampanaonao foana ihany koa ny fitandrovana loatra ny fisehoana ivelany ho tongalafatra. Raha tsorina dia toy ny zava-mahadomelina ny filàna ny fankasitrahan'ny hafa ka mety haningotra ny aina rehefa tsy azo.
Ny fiantraikan'ny "dépendance affective"
Araka ny efa voalaza tetsy ambony, ny fankasitrahan'ny hafa no mamelona ny olona manao "dépendance affective". Raha tsy voatsabo izany aretin-tsaina izany, hisy fiantraikany ratsy amin'ny fiainan'ilay olona foana. Ireto misy ohatra vitsivitsy :
-Misafidy fianarana na asa tsy tiany mihitsy ilay olona, mba hisehosehoana sy iarahana amin'ny namana fotsiny ;
-Mety tsy hahatoky tena intsony, satria ny hevitry ny hafa foana no arahina amin'ny zavatra rehetra ;
-Mety hamono tena ilay olona raha misy sary hahazoany "commentaires" masiaka sy manakihana azy any amin'ny tambazotran-tserasera ;
-Mety handanilany vola na fananana tsy araka ny tokony ho izy, mba hahitan'ny hafa hoe tafita na manana fiainana faka tahaka ;
-Mety hamono olona na hampihatra ihany koa izy, raha toa ka ireo olona heveriny tena mankasitraka azy no manakihana tampoka, na fananarana aza no tanjona ;
-Mety hanimba vatana amin'ny zavatra tsy mahasoa na hangalatra mihitsy, mba hahazoana volahividianana zavatra maro hanintonana mason'olona hatrany ;
-Mety hanaiky hararaotin'ny hafa mora foana, indrindra amin'ny sehatry ny fitiavana ;
-Mety hisedra olana ara-pitiavana maro, satria ho saropiaro be loatra, nefa tsy mety hisaraka mihitsy na tojo "relation toxique" aza. Hamotika ny olona tena itokisan'ny fony ihany koa izy, raha sanatria tsy mahazaka ny toetrany sy ny fanaony intsony io olona io. Raha adika tsotsotra dia lasa "manipulateur" na "manipulatrice".
Ny tena mahatonga ny "dépendance affective"
Matetika dia vokatry ny tsy fahampiana fitiavana tao an-tokantrano no mahatonga ny "dépendance affective". Mety masiaka loatra na tsy eo lava i dada sy i neny ka voasarik'ireo olona mety mikarakara sy manome fitiavana azy any ivelany ireo ankizy. Mety mahatonga io aretina io ihany koa ny fandaozan'ny olontiana tampoka, na fisarahana izany na fahafatesana.
Mety ho ampy fitiavana tsara koa nefa ireo olona manao "dépendance affective" saingy simba noho ny fifaninanana. Matetika mantsy dia izay ankizy na tanora tsara akanjo na manana finday avolenta no tena be namana. Etsy andaniny koa, tena mamporisika amin'ny fanehoana endrika sy zavatra tsara ny tambazotra sosialy. Manginy fotsiny ny fitiavana te halaza sy hisongadina, ka mety hifandray amin'olona tsy fantatra maro mety hampidi-doza. Adino tanteraka izany ny momba ny tena, fa variana mampifaly ireo namana mba hitazomana azy ireo.
Ny fitsaboana ny "dépendance affective"
Sarotsarotra ny mahafantatra hoe manao "dépendance affective" ny olona iray. Toa samy tia namana sy mankafy ny fisehoana isan-karazany amin'ny tambazotran-tserasera avokoa mantsy ny olon-drehetra. Mila mailo nefa ny olona akaiky raha mahatsikaritra fa tsy mba manokana fotoana ho azy manokana mihitsy ny olona iray. Mety efa miaina fifandraisana mampijaly azy mafy ihany koa, nefa miaritra hatrany fa matahotra ny ho irery na tsy hahita namana/ olontiana intsony.
Mety hahatsapa tena hoe manao "dépendance affective" ihany koa ny olona iray rehefa ela ny ela. Misy tranga ohatra mety hahatsapany tampoka fa tsy ny olona rehetra mihitsy no hankasitraka. Misy fotoana ihany koa hahatsapana tsara fa misy olona mandoka fotsiny, na dia tokony hananatra aza.
Mila faharetana be sy finiavana ny fialàna amin'ny "dépendance affective". Tsara raha manantona manampahaizana manokana toy ny psychologue. Azo atao ihany koa ny miova fianana mihitsy ka maka fotoana irery, lavitry ny tambazotran-tserasera sy ireo olona akaiky. Ny tanjona dia ny mba hahazoana fahatokisantena sady tsy hiankinana be loatra amin'ny hafa intsony.