• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Madagasikara

Fialamboly ivelan’ny trano : inona avy ireo azo atao eto andrenivohitra ?

14/04/2023 14:05 © Moov.Mg

Ilaina ny mialavoly mba hanalana ny rarin-tsaina vokatry ny fianarana sy ny asa. Samy manana ny tiany moa ny tsirairay. Ao ireo mankafy fanatanjahantena, ao ireo tia mihira sy mandihy sy ny maro samihafa. Andeha ary ho resahina ireo fialamboly ivelan’ny trano azo atao eto andrenivohitra.

Manao fanatanjahantena, fialamboly mahafinaritra no sady mahasalama

Fialamboly andrenivohitra anisan’ny maro mpankafy ny fanatanjahantena. Na tanora na efa zokinjokiny dia afaka manao izany avokoa. Maro karazany moa ny fanatanjahantena azo atao eto andrenivohitra. Ao ireo lalao baolina isan-karazany toy ny basket, baolina kitra, volley, tennis… Efa mihamaro ireo kianja filalaovana baolina raha ny eto Antananarivo manokana. Ao ireo tsy andoavam-bola ary ao ireo misy sarany. Miroboro ihany koa ireo toerana filalaovana tsipy kanetibe ary manintona mpilalao maro izany. Mazana moa dia rehefa asabotsy sy alahady no mifampitaona ireo mpankafy fialamboly ara-panatanjahantena.

Mandeha milanonana, fialamboly ankafin’ireo tia fety

Anisan’ny fialamboly ankafizin’ireo olona tia fety fandehanana milanona. Raha ny eto Antananarivo manokana dia efa maro ireo toerana azo anaovana izany. Ny ankamaroan’ireo olona miasa moa dia mankafy mandeha amin’ireny toerana ireny rehefa ilay zoma hariva trotraky ny herinandro iny. Misy ireo mamonjy an’ireny karaoké, toeram-pandihizana, « lounge », « cabaret » sy ireo maro samihafa ahafahana mihira sy mandihy. Misy ihany koa ireo mifampitaona any amin’ireny « salle de billard » mba hiara-paly sy hiala voly.

Mandeha mitsangatsangana rehefa faran’ny herinandro

Tsy vitsy ireo olona tia mitsangatsangana mba hanadinoina ny sorisory sy ny rotorotom-piainana andavanandro. Maro ny toerana azo aleha eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny ankamaroan’ny olona te hialavoly moa dia mandeha amin’ireny « parc de loisirs » ireny. Ahitana fialamboly maro ao amin’izy ireny, ao ny misy kilalao isan-karazany toy ny babyfoot, billard, kianja filalaovana baolina, karting… Tsy adinoina ihany koa ireo misy dobo filomanosana izay be mpankafy tokoa rehefa mafana ny andro. Arakaraky ny enti-manana sy ny fialamboly tiana atao moa no hisafidianana ny toerana aleha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo