Tantara : 'Ndao fantarina ireo Sarintanin'i Madagasikara tany aloha sy ny fivoarany
Efa ilay sarintanin'i Madagasikara mirafidrafitra sy misy faritany enina na faritra 24 mizara mazava no mahazatra ny maro. Maromaro nefa ireo Sarintanin'i Madagasikara efa nisy, arakaraka ny mpikaroka nanao azy sy ny vanim-potoana.
Nosikely aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara. Tafiditra ao anatin'ny Kaontinana Afrikana izy. Mirefy 587 000 km2 ny Nosy. Noho izany velarany midadasika izany, i Madagasikara dia Nosy lehibe faha-4 manerantany : aorian'i Groeland (Danemark), Nouvelle-Guinée (Océanie) ary Bornéo (Asie Sud-Est).
Tantara nahitana ny Nosy Madagasikara
Raha tsiahivina ny tantara, tamin'ny volana aogositra 1500 no hitan'i Diégo Diaz i Madagasikara. Kapitenin-tsambo teratany Portugais ny tenany, izay nikasa hihazo an'i Indonésie nefa diso lalana. Tamin'izany indrindra no nahitany nosikely iray, ka nomeny ny anarana hoe "Île Saint-Laurent".
Niaraka tamin'i Fernan Suarez moa i Diégo Diaz, ka izy mirahalahy ireo no niezaka namantatra sy namariparitra mikasika ny Nosy. Ny tendrony avaratr'i Madagasikara moa dia nampitondraina ny anaran'izy roalahy mihitsy : "Diégo-Suarez" (Antsiranana). Nanintona firenena maromaro i Madagasikara, ka samy nanam-paniriana ny "hitrandraka" ny Nosy avokoa na ireo Frantsay, na ireo Anglisy na ireo Hollandais. Maro araka izany ireo vahiny nivezivezy teto Madagasikara, sady mbola tsy nisy firy rahateo ny famerana ny fitsidihana. Marihana moa fa i Rangita no anisan'ny Mpanjaka Voalohany teto Imerina, izay nanjaka tamin'ny 1520 hatramin'ny 1530.
-Tamin'ny taona 1610 no tapaka fa "Tananarive" no anaran'ny toerana afovoany indrindra, ary tamin'ny taona 1787 vao natao Renivohitra io faritra io. Tamin'io taona io indrindra mantsy no nandraisan'Andrianampoinimerina ny fitondrana. Nanomboka niaro ny Nosy ny Mpanjaka ka voafetra ny fidirana ny firenena ho an'ireo vahiny.
-Tamin'ny taona 1776 kosa no nanomboka nametraka "comptoirs commerciaux" teto Madagasikara i Frantsa, ka nifandray noho ny raharaha ara-barotra ny firenena roa tonta. Sarotiny tokoa nefa Andrianampoinimerina ka nanano sarotra ny fiaraha-miasa. Tamin'ny fitondran-dRadama I (1810-1828) vao nahazo fahalalahana indray ny Eoropeana.
Nisy ny adin'ny Malagasy sy ny Frantsay ny taona 1883 hatramin'ny 1885, ka ny taona 1896 i Madagasikara no lasa zanatany Frantsay. Izany no nahatonga ny nanaovana sesitany ny Mpanjakavavy Ranavalona III.

Fivoaran'ny Sarintanin'i Madagasikara
Anisan'ny Sarintany voalohany ny nataon'i François Cauche tamin'ny taona 1640 tany ho any. Teratany Frantsay namantatra ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara ny tenany, ka nanatanteraka asa fikarohana ny taona 1638 hatramin'ny 1644.
Araka ny efa voalaza eo ambony, ny taonjato faha-XVI no nahita an'i Madagasikara na "île Saint-Laurent" ilay Portugais Diego Dias, saingy tsy nanao sarintany ny tenany. Tamin'ny taonjato faha-XVII vao nisy nanao sarintany, ka anisan'ireo nandray anjara tamin'izany i Étienne de Flacourt sy François Martin, samy teratany Frantsay. Tamin'ny taonjato faha-XVIII dia mbola nananteraka fanitsiana ny teratany Britanika miisa roa, antsoina hoe James Cook sy William Dampier. Ny hanamorana ny fivezivezen'ireo mpandraharaha ara-barotra frantsay sy britanika no tena tanjon'izy ireo tamin'izany.
Tany ho any amin'ny taona 1800 tany ho any vao nivoatra sy niova ny sarintany, toy ny efa fahitantsika ankehitriny. Efa azo lazaina fa mahafapo tanteraka ny sarintany nataon'i R. Hausermann sy Alfred Grandidier tamin'ny taonjato faha XIX. Mbola nisy fanatsarana nefa amin'ny taonjato faha-XX, izay notanterahin'ny Association des Géographes de Madagascar ny taona 1969.
Ireto misy teboka vitsivitsy tsara ho fantatra :
-Talohan'ny taona 2024 : Nozaraina enina i Madagasikara, izany hoe ny faritany enina no nasongadina (Antananarivo, Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara)
-Nanomboka ny taona 2024 : Lasa faritra 22 i Madagasikara
-Tamin'ny taona 2021 no lasa faritra 23 i Madagasikara. Nozaraina roa ny faritra Vatovavy-Fitovinany
-Tamin'ny taona 2023 no nisy faritra vaovao indray teto Madagasikara, dia i Ambatosoa, izay tao amin'ny faritra Analanjirofo teo aloha.
Tsy mifarana hatreo akory ny fanatsarana sy fanitsiana ny "Carte de Madagascar". Mivoatra hatrany mantsy ny saritany, indrindra noho ny fandrosoana entin'ny "photographie aérienne" sy ny "imagerie satellite".